Mofon’aina – ALATSINAINY 04 DESAMBRA 2017

11 Amin’ izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon’ i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,12 Mba hananany izay sisa amin’ i Edoma Sy amin’ ny jentilisa rehetra, Izay hantsoina amin’ ny anarako, Hoy Jehovah, Izay manao izany.13 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran’ ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.14 Ary hampodiko ny Isiraely avy amin’ ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.15 Eny, hamboleko ao amin’ ny taniny izy, ka tsy hongotana amin’ ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.
AMOSA 9 :11-15

FITIAVANA HAFA KELY

Amin’ny fomba hafakely  no entin’ Andriamanitra  maneho  sy manaporofo  ny fitiavany eto . Tsy manam-paharoa  izany fitiavan’Andriamanitra izany satria:

1- Mamela heloka sy  manangana indray  Izy  (and 11-12)

Asehon ‘ Andriamanitra  amin’ny alalan’ny fananganana indray ny  rava  vokatry  ny fahababoana  ny famelan-keloka. Be fitiavana  Andriamanitra  ka tsy mamela antsika  ho ravan’ny fahotana  sy ny faharatsiana. Ny famelana  ny helotsika no entiny  maneho  izany fitiavana izany  sady hanarenany  antsika hanana fiainam-baovao  ao Aminy .Kristy  no  endrika   fara-tampony  ny  fitiavan’ Andriamanitra  sy fananganana  antsika indray  ka natolony ho  famelana  ny helotsika .

2-Manome  fitahiana (and 13-15)

Fitahiana  no azo ilazana  izay rehetra  voalazan’ny Tompo  eto  amin’ireto  andininy   telo farany   ireto   Anisan’izany  ny fahasambaran’ny olona voavela heloka (Sal 32 :1-2). Raha  oharina  amin’ny resaka  fambolena  ny fitahiana  noraisin’ izay voavela heloka  dia hifanao  tsy omby aloha  izany satria  mbola  tsy voajinja  ny eo  dia efa tonga   indray   ny fotoam-piasana  manaraka . Midika  izany  fa manana  amby ampy  ho antsika ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fitahiany (Jer 31 :3).

Fanontaniana:

Inona  no mba heverinao  fa endrika  manokana  isehoan’ny fitiavan’ Andriamanitra anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !