Mofon’aina – TALATA 05 DESAMBRA 2017

1 Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko.2 Izao no lazain’ i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin’ ny sabatra; Handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an’ ny Isiraely.3 Tany lavitra any no nisehoan’ i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina hianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao hianao ka hivoaka amin’ ny dihin’ ny mifaly.5 Mbola hanao tanimboaloboka ao amin’ ny tendrombohitr’ i Samaria hianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.6 Fa mbola hisy andro hiantsoan’ ny mpitazana any amin’ ny tany havoan’ i Efraima hoe: Mitsangana hianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin’ i Jehovah Andriamanitsika.
JEREMIA 31 :1-6

FITIAVANA MANDRAKIZAY  ANDRIAMANITRA

1-Ny  fitiavany  ny Israely

Hafatra  ho an’ny  Jiosy   babo   tany  Babylona  ity. Ambarany  ny  momba  ny Israely  hatramin’ny  fanjakana avaratra  ary  Israely  manontolo. Tiany  ny fanjakana avaratra  na Israely  na i Efraima na i Samaria (and 2,4,5). Omena  fitsaharana  sy  filaminana  izy  ka  tsy  hisy ady  ao  aminy (and 2) . Hanorina indray  an’Israely efa rava i Jehovah  ka hanome fihobiana  sy  fifaliana ao amin’ny taniny. Hambolena  hatao  tanimboaloboka indray ny tendrombohitr’i Samaria , ary noho  ny fiadanana omeny , ny  fitiavan’ Andriamanitra    dia  hanjary  ho mahataona  i  Ziona  izay  toerana  tokana  fihaonany  amin’Israely (and 6). Mitoetra  ho mandrakizay  Andriamanitra  ary  tsy  voafetran’ny fotoana  sy ny toerana ny fitiavany ny  olony .

2-Ny famindrampony  amin’ Israely

Andriamanitry ny famindrampo  ny  Tompo. Mifamatotra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindrampony. Manafoana ny tenany Andriamanitra ka manisy soa  an’ Israely  izay nanota  sy niala taminy  dia Israely  virjina (and4). Mamindra foa  amin’ny maditra  sy ny mafy hatoka Izy. Mahary  an’Israely ho vaovao i Jehovah. Manao  fanarenana an’Israely manontolo  ny  Tompo: sitranina ny taniny, averina ho amin’ny fivavahan feno  fifaliana sy fanompoana ny Israely. Manavao  ny fanekeny  mandrakizay  ny  Tompo ka ho Andriamanitray ny isam-pianakavian’ Israely (and 1).

Fanontaniana:

Ahoana ny fahatsapantsika ny fitiavan’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !