Mofon’aina – Alatsinainy 04 janoary 2016

29 Ary niaraka tamin’ izay, raha nivoaka avy tao amin’ ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona sy Andrea Jesoa ary Jakoba sy Jaona.30 Ary ny rafozam-bavin’ i Simona nandry teo nanavin’ ny tazo; ary niaraka tamin’ izay dia nilaza azy taminy izy ireo.31 Dia nanatona Jesoa ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.32 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.33 Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ ny varavarana avokoa.34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin’ ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
MARKA 1:29-34

MANASITRANA NY ARETINTSIKA REHETRA NY TOMPO

Hatramin’ny taonjato faha XX dia anisan’izay aretina nahafaty olona betsaka ny tazo. Ary na dia izao taonjato faha XXI izao aza dia mahafaty olona be lavitra nohon’ny SIDA ny tazo . Tsy mahagaga noho izany raha nidododo naitady an’i Jesoa ireto olona ireto rehefa nararin’ny tazo ny rafozambavin’i Simona Petera tokoa mantsy dia Nanantena tokoa izy ireo fa ny Tompo dia afaka hahavita

1- Asa manankery amin’ny aretina ( and 29-34)

Fomba tsotra dia tsotra tsy nila tsindrona na fanafody maro fa mandray an-tànana sy manarina ihany no nampiasain’ny Tompo dia efa ampy nanasitranana aretina mampandamaka am-pandriana. Ary dia hitantsika eto fa tena eo ambany fahefan’ny Tompo tanteraka ny aretina,ka azony resena sy anehoana ny asany izany. Mbola maro ireo aretina tsy sitran’ny dokotera sy ny manampahaizana , toy ny aretina SIDA , homamiadana sns . Mandraka androany tena mbola manasitrana ny Tompo, ary azonao antsoina amin’ny karazana aretina rehetra Izy. Tsy manda ny asan’ny dokotera akory isika , fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra ihany izy ireny fa ny Tompo no tena Mpanasitrana .Vokany :

2- Fanasitranana nahataona olona maro ( and 29-34)

Vao nandre ny tao an-tànana fa sitrana ny rafozambavin’i Petera, dia mba nentin’ny olona koa ny marary rehetra ka tsy ny marary azo hazavaina amin’ny fomba siantifika, toy ny tazo sy ny hafa ihany fa hatramin’ny olona voan’ny aretim-panahy toy ny demoniaka koa dia nentina teo , ary dia nositranin’ny Tompo avokoa. Marobe ny olona lasa nahafanatra an’i Jesoa tamin’ny alalan’ny asa nataony . Iray amin’ireny ny asa fanasitranana .

Fanontaniana

Rehefa inona no aretina mahazo anao no miantso ny Tompo ianao ? sery,kohaka, tazo, SIDA …?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !