MOFON’AINA ALATSINAINY 04 OKTOBRA 2021

12 Inona no havaliko an’ i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko? 13 Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaran’ i Jehovah.14 Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra.15 Zava-dehibe eo imason’ i Jehovah Ny fahafatesan’ ny olony masina.16 Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Ianao.17 Ianao no haterako fanati-pisaorana, ary ny anaran’ i Jehovah no hantsoiko. 18 Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho, eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra, 19 Dia eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.
SALAMO 116.12-19

NY OLONA NANDRAY NY FAMONJEN’ANDRIAMANITRA

1-Misaotra an’Andriamanitra

« handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny Anaran’i Jehovah » (and 13)

Ny fandraisana ny kapoaky ny famonjena dia midika ho fanaovana fanatitra divay sy hira fisaorana izay tsy misaraka amin’ny fanaovana fanatitra zava-mananaina . Izany dia natao tao amin’ny Tempoly ho fanakalazana sy fisaorana an’Andriamanitra noho ny fanafahany ny olony tamin’ny olana samihafa sy ny fahafatesana . Ka ny olona mahatsiaro ny famonjen’Andriamanitra azy no manao fanatitra ho Azy , ary ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fanolorantena . Koa atolory ny Tompo ny tenanao ho fisaorana sy fankalazana Azy tamin’ny namonjeny antsika , tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy , izay maty teo amin’ny hazo fijaliana ..

2-Mijoro ho vavolombelona

« …eny eo anatrehan’ny olony rehetra dia eo an-kianjan’ny tranon’i Jehovah » (and 18,19).Tsy hain’ny mpanao salamo ny fomba entina mamaly ny famonjena azony tamin’Andriamanitra . Hany sisa nataony , niantso ny mpiara-belona , ny ray aman-dreny , ny namana ho eo an-kianjan’ny Tempoly hanambarana? fa Jehovah no mpanafaka. Izany no natao dia ny mba hahazoan’ny hafa ihany koa manatona an’i Jehovah ka hisitraka ny fanafahany . Ambarao ny famonjen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy . Taomy ny hafa handray ny famonjena fa sarobidy loatra izany satria tsy amin’izao fiainana izao ihany fa mitohy hatrany amin’ny fiainana mandrakizay .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.