Mofon’aina – ALATSINAINY 05 MARTSA 2018

8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ ny fibebahana izy rehetra,10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ ny Tompo, ary amin’ izany ny lanitra dia ho lasa amin’ ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ ny afo ny tenan’ ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo Aminy.
II PETERA 3 :8-10

MIBEBAHA EO ANATREHAN’NY TOMPO

Mampirisika  antsika hifona sy hibebaka  ny  Tompo amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Ny Apostoly  dia nampahery  ny fiangonana  mba tsy  hisalasala  satria  fohy  ihany  ny fotoana  ho antsika  mitaha  amin’ny  fotoanan’ny  Tompo .

1-Aza mangataka andro  ela raha  hibebaka 

Voafetra  isika   ka  na  ny  andro   hahavelomantsika  aza  dia eo  an-tànan’Ilay Tompo  sady Mpamonjy. Ny heloka  rehetra, ny fahadisoana  samihafa  dia tian’ny Tompo  tsy hahavoa  antsika. Koa mandrosoa eo anatrehan’ny Tompo  amin’ny fanolorantena,  mba hosasany sy   hodioviny indray. Ny  Tompo  no  miantso  ny  olona hibebaka  ka hiala  amin’ny ratsy  fanao. Aoka hanatona  ny  Tompo  amin’ny fo  mino   isika  rehefa mivavaka Aminy.

2-Aza miherikerika  intsony,   fa jereo  Jesoa 

Manankery  hanafaka  antsika  ny Rà nalatsaky ny  Tompo  teo  amin’ny hazo fijaliana. Tiany  ho madio   sy  masina   isika  ka tsy  ho  faty    na ho  very. Izy  no mitantana  sy  mitondra  , ka aoka   isika hankato ny teniny  .Mijery  Azy isika  raha manaraka  izay lazainy  , mijery  Azy isika  raha manaiky  ny toromarika  omeny  hananantsika fiainam-baovao ao Aminy  . Tsy tokony  hitady  famonjena  hafa intsony  satria Jesoa Kristy   ihany   no Mpamonjy  izao  tontolo izao. Misokatra  ho an’izay  mibebaka ihany  ny làlam-pamonjena.

Fanontaniana:

Efa  manana fiainam-baovao  ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !