Mofon’aina – TALATA 06 MARTSA 2018

1 Ny niandohan’ ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy, Zanak’ Andriamanitra.2 Araka izay voasoratra ao amin’ Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny làlanao;3 Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny làlan’ i Jehovah. Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany,4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka.5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masina.
MARKA 1 :1-8

Manatanteraka izay  voalazan’ny  mpaminany   ny  Tompo  Jesoa. Jaona  mpanao  batisa   no  nialoha Azy mba hitory  ny batisan’ny fibebahana ho  famelan-keloka, mitarika antsika hanaraka azy izy  araka ny hita eto.

1-Manàna finoana hiarahana amin’ny Tompo 

Asainy  manamboatra  ny làlana izay diavintsika  isika. Ny  anjarantsika  dia mandray   fanapahankevitra  ho  tia  sy hanompo Azy Azy. Mahalala ny sitrapon’ Andriamanitra, izay  efa zatra  mandroso  amin’ny finoana. Manahaka ireo  mpanompo  nanara-dia  ny  Tompo  isika rehefa  manaiky  hiara-miasa Aminy. Jesoa Kristy  no mandray  antsika sy izay  entintsika  hanatona Azy. Aoka isika hanana finoana mba hiara-mandeha Aminy.

2-Maneke ny herin’ny Tompo  manafaka 

Tsy  ny rano  amin’ny batisa no tokony  hatao  ho zava-dehibe  fa ny herin’ Andriamanitra  handraisany antsika  ho zanany. Mitafy  an’i Kristy  ny fiangonana nanomboka  tamin’ny batisa ka afaka mitahiry  izany  mba hamirapiratan’ny tavan’ny Tompo  amin’ny endriky  ny mino. Resy  lahatra  no ilazana   ny  olona  manaiky  ny herin’ny Tompo manafaka. Fa Izy  no niteny  hoe:  « raha ny zanaka  no manafaka  anareo  dia ho afaka  tokoa ianareo   » (Jao 8.36).

Fanontaniana:

Manana finoana hanekena ny herin’ny batisa ve ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !