MOFON’AINA ALATSINAINY 07 JONA 2021

11 Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an’ i Samaria sy Galilia.12 Ary raha niditra tao amin’ ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.13 Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesoa Tompo ô, mamindrà fo aminay.14 Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.15 Ary ny anankiray tamin’ ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery16 sady niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesoa ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.17 Dia namaly Jesoa ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? 18 Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’ Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? 19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
LIOKA 17 :11-19

NY FOMBA HAHAZOANA FAMONJENA

Tantaran’ireo boka 10 lahy nositranin’i Jesoa ity ambara eto ity . Tantara izay mampiseho amintsika fa misy olona sitrana (afaka amin’ny habokana ) dia mijanona eo , misy kosa voavonjy ( voavela hatramin’ny heloka ). Rehefa manatona an’i Jesoa ny olona ka mangataka fanavotana Aminy dia mahazo tombony avy amin’izany. Raha te- hahazo famonjena dia :

1-Mankato ny Tenin’i Jesoa (and 14)

Rehefa nangataka ny hositranin’i Jesoa ireto boka ireto dia hita eto amin’izao and 14 izao fa rehefa mandeha, nankato ny Tenin’i Jesoa izy ireo dia sitrana sy nadio teny am-pandehanana. Amin’ny alalan’ny fankatoavana an’i Jesoa sy ny teniny no nahazoana famonjena. Izay mankato an’i Jesoa dia hahita fiovam-piainana lehibe eny am-pankatoavana an’i Jesoa. Raha tianao ny hahita zava-mahagaga avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ankatoavy izany. Andriamanitra Jesoa ka mahay manatanteraka izay lazainy sy hibaikony.

2-Misaotra an’Andriamanitra ( and 15-19)

Rehefa niverina nisaotra an’Andriamanitra ny iray dia nahazo famonjena. Izany hoe: tsy sitrana ara-batana fotsiny fa nahazo famelankeloka. Fahasitranana ara-panahy. Tsy sitrana fotsiny fa voavonjy mihitsy. Ny fankalazana an’Andriamanitra nataon’ity boka iray sitrana ity dia endriky ny fankasitrahany an’Andriamanitra, endriky ny fisaorany an’Andriamanitra tamin’ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra taminy. Noho izany dia voavonjy izy fa tsy nijanona fotsiny teo amin’ny fahasitranana ara-batana. Izay hahavoavonjy no tsara hanatonana an’i Jesoa sy hangataham-panavotana Aminy. Izany rahateo no tena antony nahatongavany teto amin’izao tontolo izao .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.