Mofon’aina – ALATSINAINY 07 MAI 2018

14 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy Jesoa, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy15 Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra16 Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;18 handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin’ ny marary izy, dia ho sitrana ireny.19 Ary Jesoa Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan’ Andriamanitra.20 Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ ny famantarana izay nomba azy. Amena
MARKA 16 :14-20

NY  BAIKON’NY  TOMPO  AMIN’NY MPANOMPONY

1-« Mandehana »

« …mandehana  any  amin’izao, tontolo izao  ianareo ». Mitaky  hetsika izany. Misy toerana hiaingana ary  misy toerana aleha: any amin’izao tontolo izao. Tsy mandeha irery  ny iraka amin’izany  fa momba azy ireo ny Tompo. (Mat 28 :20)

2-« Mitoria ny Filazantsara »

Mazava  ny  anton-dia eto dia ny  fitoriana ny  Filazantsara. Jesoa Kristy  no  mpaniraka  ary  Izy   no vontoatin’ny hafatra  ampitaina. Fanoloran-tena, fahafoizana fotoana,fanekena ho mpianatra  amin’ny alalan’ny fiofanana sy  fiomanana no takiana  amin’izany  fa tsy fizahantany  na tanjona hafa.

3-« Sitrano  ny  marary »

Maro ireo aretina izay  mahazo ny  olona ankehitriny. Ny mpitory Filazantsara  dia fitaovana eo am-pelatànan’nyTompo  hitondra fanafahana, fanasitranana,araka ny baikon’ny Tompo hoe:  « Tsaboy izy » (Lio 10 :35). Mariho fa miara-dàlana ny  finoana sy ny fanasitranana. Araka izany  dia ilaina ny  mitondra  anjara biriky  ho fikolokoloana ny fahasalaman’ny  olona itoriana ny  Filazantsara. Finoana arahana asa  no  takiana amin’izany.

Fanontaniana:

Inona no lesoka mampitarazoka ny fitoriana ny Filazantsara  amin’ny ankapobeny ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !