MOFON’AINA ALATSINAINY 08 JONA 2020

13 Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo [Kristy] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. 14 Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany. 15 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
KOLOSIANA 3 : 13-15

KRISTIANINA NANTSOINA HO AMIN’NY FIADANANA

Nisedra olana lehibe ny fiangonana tao Kolosia rehefa niala tao Paoly. Tsy nisy mpitarika izy ireo ka mora tamin’ny fampianaran-diso no niditra tao amin’ny fiangonana. Anisan’ny fampianaran-diso tafiditra tao amin’ny fiangonana ohatra ny fivavahana tamin’ny anjely. Tsy dia nilamina firy intsony ny fiainan’ny fiangonana. Na dia teo aza anefa izany dia ambaran’i Paoly eo amin’ny and 15 fa nantsoina ho amin’ny fiadanana ny kristianina tao Kolosia, hoy mantsy Paoly « Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy ». Ary ankehitriny dia mbola miantso antsika ho amin’izany ihany koa ny Tompo. Ahoana tokoa moa izany?

  1. Kristianina mifandefitra sy mifamela heloka (and 13)

« Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa »

Amin’ny maha-olombelona antsika dia mpanota no iantsoan’ny Soratra Masina antsika. Mety diso isika, mety manao izay tsy mahamendrika eo amin’ny hafa. Arak’izany dia tena ilaina ny maha-mifandefitra amin’ny zavatra mety mahadiso. Zava-dehibe ihany koa ny fahaiza-mifamela heloka, io fahaiza-mifamela heloka io no mahatsara mandrakariva ny fifandraisana sy ny fihavanana amin’ny hafa. Fototra tsy azo ialana io voalazan’i Paoly amin’ny famelana heloka toa izay nataon’ny Tompo tamin’ny tena io. Mitoetra ny fiadanana rehefa mahay mifandefitra sy mifamela heloka ny mino.

Misedra olana maro ny fiaraha-monina  ankehitriny, manomboka ao anatin’ny tokantrano izany ka hatreny amin’ny seha-piaraha-monina. Olana ateraky ny tsy fahaiza-mifandefitra sy mifamela heloka izany. Be dia be ny tokantrano kristianina na jentilisa aza potika sy rava satria tsy mahay mifandefitra sy mifamela heloka ohatra ny mpivady, be dia be ny mpiray tampo tsy mifampiteny, misy aza moa tsy mifandevi-maty noho ny tsy fahaiza-mifandefitra sy mifamela heloka. Rava sy potiky ny tsy fahaiza-mifandefitra sy mifamela heloka ny fihavanana. Tsy tokony hohadinoina fa fototra izay tsy azo ialàna raha miresaka fihavanana ny fahaiza-mifandefitra sy mifamela heloka. Rava sy potika efa ela ny fihavanantsika amin’Andriamanitra raha tsy nandefitra sy namela heloka antsika Izy. Soa fianatra amin’ny Tompo ity fahaiza-mandefitra sy mamela heloka ity. Izany rahateo no nahatongavan’i Jesoa Kristy.

  1. Mifankatia marina (and 14)

« Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany »

Rehefa be fitiavana toa an’Andriamanitra ny mino dia ho hainy ny handefitra amin’ny zavatra rehetra sy hamela heloka ny hafa. Rehefa tena dinihina izay ambaran’i Paoly dia azo atao tsara ny mandrefy ny fitiavan’ny olona amin’ny alalan’ny fahaizany mandefitra sy mamela heloka. Izay mandefitra be sy mamela heloka be dia be fitiavana koa. Azo atao tsara ny maneho amin’ny asa ny fitiavana ao amintsika: mandefitra sy mamela heloka. Ilay fandeferana sy famelan-keloka arak’izao no endrika hita maso ilay fitiavana tsy hita maso ao amin’ny mino. Raha miresaka fitiavana isika, dia Jesoa no be fitiavana indrindra teto amin’izao tontolo izao. Vitany mantsy ny namela heloka na dia ireo olona nanombo Azy teo amin’ny hazo fijaliana aza. Tsy misy manana fitiavana lehibe toa ny Azy. Azo atao tsara anefa ny mangataka io fitiavana io Aminy.

Fototra izay mahatsara ny fihavanana marina ny fitiavana. Ary rehefa be ny fitiavana dia mafy orina tsara ny fihavanana na ny fiadanana. Azo atao tsara ny mampitoetra ny fihavanana na ny fiadanana amin’ny alalan’ny famelana ny fitiavana hameno ny fon’ny olona sy ny mpiara-monina rehetra. Ny ezaka fitoriana ny Filazantsara tanterahin’ny fiangonana dia ezaka ho amin’izany fitoriana ny fitiavan’Andriamanitra izany. Mikendry manokana ny hahatsara ny fihavanana izany hampisy fiadanana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.