Mofon’aina – ALATSINAINY 09 APRILY 2018

11 Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika,-12 tsy mba tahaka an’ i Kaina, izay avy tamin’ ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ ny rahalahiny.13 Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’ izao tontolo izao ianareo.14 Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ ny fahafatesana ihany.15 Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
1 JAONA 3 :11-15

NY  FIFANKATIAVANA

Ao  amin’ny Filazantsara  sy ireo Epistily  telo  nosoratan’i Jaona, ny fifankatiavana dia :

1-Didin’ny Tompo  (and 11-12)

Fampitana  ny hafatry ny  Tompo   tamin’ny  nandidiany  ny mpianatra mba hifankatia  no ataon’ny Apostoly   Jaona  eto (Jao  15 :9-12). Eo  amin’izay anjakan’ny fifankatiavana tokoa mantsy  no misy  fiainana sy  fahavelomna. Koa  didin’ny Tompo isika mba hifankatia. Eo  amin’izay  anjakan’ny fialonana kosa no itoeran’ny fankahalana sy ny fahafatesana. Miafara  amin’ny famonoana mandrakariva  ny fankahalana. Ohatra velona  amin’izany   ny fifandraisan’i Kaina  tamin’i Abela rahalahiny.

2-Fananana fiainana  avy  amin’ny  Tompo  (and 13-15)

Izay  tia no manana fiainana avy  amin’ Andriamanitra  ka afaka  mamindra aina  amin’ny hafa  . Izany fitiavana  hanolotra fiainana ho antsika izany  no naneken’ny  Tompo  ho  faty  teo  amin’ny hazo fijaliana mba hisolo  heloka antsika. Tafafindra hiala amin’ny fahafatesana  ho amin’ny fiainana  ny olona manana fitiavana. Mitoetra  ao  amin’ny fahafatesana  tambin’ny ota  hatrany   kosa ireo  izay feno  fankahalana satria  mamono  ny  mpiara-belona aminy . Ota  eo anatrehan’ Andriamanitra anefa  ny famonoana olona  amin’ny endriny  mivantana  na ankolaka ka fahafatesana no tambin’izany  (Mat 5 :21-22; Rom 6 :23).

Fanontaniana:

Nahoana  no feno  fankahalana ny fon’ny olona ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !