Mofon’aina – ALATSINAINY 10 APRILY 2017

37 Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin’ ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany38 ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin’ ny avo indrindra.39 Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.40 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.41 Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy42 ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin’ ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! – fa ankehitriny miafina amin’ ny masonao izany.43 Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina44 ary hamongotra anao hatramin’ ny tany mbamin’ ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin’ ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.
LIOKA 19 :37-44

JESOA  NO TOMPO

1-Midera an’i Jesoa  mpanjaka  ny vahoakany

Efa  ela no niandrasan’ny Jiosy  ny Mesia mpanjaka  mba hanafaka  azy   amin’ny fanjanahantany Romana. Faly   ny mpianatra   mpanaraka an’i Jesoa, ka nidera  Azy tamin’ny feo mahery. Tsy   zakan’ny Fariseo  izany satria manelingelina   ny tombotsoany  amin’i Kaisara  sy i Heroda .Tsy hain’ny mpanenjika  an’i Jesoa  nampanginina ny fiderana :  « Isaorana  anie ny mpanjaka  , izay  avy amin’ny Anaran’i Jehovah » . Mpanjaka  avy  any an-danitra  i Jesoa, sady  itoeran’ny voninahitra. Ilay  olombelona  hitan’ny olona  sy niaraka  taminy, dia ninoany sy nekeny   ho avy amin’ny avo  indrindra. Andro  famangian’ Andriamanitra  mahery  ny tany izao fidiran’i Jesoa  ho ao  Jerosalema izao.

2-Midera  an’i Jesoa mpaminany  ny vahoakany

Miteraka  hery  ao amin’ny madinik’i Jesoa  ny finoana  sy ny fahitany ny Tompony. Fahefana sy hery  tsy amboamboarina ny fahefany. Mitomany  anefa i Jesoa. Fantany ny  fandravana sy ny loza hanjo  an’i Jerosalema, noho  ny tsy finoana sy ny tsy fanekena ny Tompo(and 41). Tandremo  sao miandry porofo vao hino  izay  ambaran’i Jesoa. Manambara  ny tenin’ny Ray  sy  ny tsy maintsy hahatanterahany ary   ny zavatra  hitranga i Jesoa. Ao  anatin’ny karemy   isika izao, mandiniha tena  sao dia  mampangina  ny fiderana tokony hatao  ho an’Ilay mpanjaka sady mpaminany. Ekeo  sy raiso Ilay mesia  mpanjaka  mpaminany, mpisorona  ho Tompon’ny fiainantsika.

Fanontaniana:

Inona avy ny endriky ny tsy finoana  an’i Jesoa Kristy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !