MOFON’AINA ALATSINAINY 12 SEPTAMBRA 2022

6 Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. 7 Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra (Oha. 22 : 8, LXX.). 8 Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra; 9 araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an’ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay (Sal. 112 : 9). 10 Ary Izay manome voa ho an’ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, 11 dia hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin’ny hitsim-po,izay mahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra. 12 Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon’ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa, 13 satria ny fizahan-toetra anareo amin’izany fanompoana izany no ankalazany an’Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran’i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin’ny fiantrana ho azy sy ho an’ny olona rehetra; 14 ary amin’ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra aminareo. 15 Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.II KORINTIANA 9:6-15

NY FANATANTERAHANA NY ASA TSARA

1-Atao amin’ny alalan’ny fahafoizana

Nanao antso ho an’ny kristiana i Paoly mba halala-tànana ka hahafoy ho an’ny malahelo tany Jodia .Hoy i Paoly : « Ry rahalahy … » (2 Kor 8 :1). Mpirahalahy ao amin’ny Tompo izy rehetra. Nanentana azy ireo izy hazoto hanao asa fiantrana amin’ny fifaliana, fitiavana, fahafoizana amin-kitsimpo fa tsy amin’ny alahelo na an-katerena. Anjaran’ny tsirairay ny manome araka ny fanapahan-keviny ihany. « Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra » (Oha 22 :8). Rehefa mahafoy sy manome amin’ny fifaliana ianao, dia Andriamanitra no manome mitafotafo ny soa ho anao .Izy no hampitoetra ny fahombiazana ho an’izay mahafoy.Jesoa no fianarana ho antsika na dia nanankarena aza izy dia nisafidy ny ho tonga mahantra ,nahafoy ny fanjakany mba hampanankarena antsika .

2-Mahatonga ny fisaorana an’Andriamanitra

Misy voka-tsoa tokoa ny fanatanterahana ny asa tsara, fa ny fanaovana izany dia sady mahafaka ny alahelon’ny olona masina no mahabe ny fahasoavan’Andriamanitra (and 12). Na dia mbola an-dàlam-panaovana izany aza ny Korintiana dia ataon’i Paoly ho tanteraka. Ho hita sy tsapan’ny kristiana any Jodiany fampiharana ny Filazantsara amin’ny fahalalan-tànana. Rehefa vonton’ny Filazantsara tokoa ny olona dia mampihatra izany eo amin’ny fiainany. Ny asa fiantrana dia mitarika ho amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.Tsy hifaly tamin’Andriamanitra ihany anefa ny kristiana tany Jodia fa hanandratra vavaka koa. Ho tanteraka tokoa ny fiombonana am-pirahalahiana. Fianarana lehibe izany, fa rehefa mandray avy amin’ny hafa dia tokony hisaotra an’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.