Mofon’aina – ALATSINAINY 13 AOGOSITRA 2018

10 Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin’ ny Zanak’ Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak’ Isiraely ka nitaraina tamin’ i Jehovah.11 Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?12 Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra.13 Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.14 Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.15 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Nahoana no mitaraina Amiko ianao? Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely mba handroso.16 Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin’ ny ranomasina ny tànanao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan’ ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely.17 Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,18 dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’ i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
EKSODOSY 14 : 10-18

JEHOVAH MAMONJY NY ISIRAELY

1 – Mamonjy ny Isiraely mitaraina aminy i Jehovah

Tsy nahakivy an’i Mosesy ny fanomezan-tsiny nataon’ny Isiraely izay resin’ny tahotra an’i Farao. Karazany maro ireo fanomezan-tsiny sy fanakianana ary teny mahery nataon’izy ireo tamin’i Mosesy. Toy izany hatrany no mahazo ny mpitarika mahatoky an’Andriamanitra. Tsy takatry ny olona ny finoana sy ny andraikitra apetraky ny Tompo aminy, ka iharan’ny herisetra sy teny mahery. Manome toky i Mosesy noho ny Tenin’ny Tompo sy ny andraikitra azony : « aza matahotra … Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina » (and 13-14). Vonjen’Andriamanitra sy ataony mahafantatra ny maha Mpamonjy Azy ny vahoaka, ary tezainy ho mba hatoky Azy ny firenena nofidiny.

2 – Miady ho an’ny Isiraely Andriamanitra

Tsy miasa irery i Mosesy, mpanompo sady irak’Andriamanitra hitarika ny Isiraely. Manatanteraka ny tenin’ny Tompo i Mosesy, fa manatanteraka izay nolazain’ny mpanompon’ny Tenin’Andriamanitra kosa ny Isiraely. Teny manafaka ny ory sady mampahery ny irany ny tenin’ny Tompo. Solovavan’Andriamanitra izay mitondra fanafahana ny firenena sy ny vahoakan’Andriamanitra izy. Rehefa ambara marina sy mivantana ny tenin’ny Tompo dia manatrika ny vahoakany Andriamanitra. Mahazo toky ihany koa ny ory sy ny malahelo, satria tsy avelan’ny Tompo hiraviravy tànana amin’ny fampihorohoroana sy ny herisetra ny vahoaka.

Fanontaniana :

Mitondra fanomezan-toky ny ory sy ny malahelo tokoa ve ny toriteny sy ny tenin’ny Tompo toriantsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra . Amen !