Mofon’aina – Alatsinainy 13 martsa 2017

12 Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.13 Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin’ ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy hianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.14 Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ ny voalohany hianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’ Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo.15 Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’ izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.16 Fa ny zavatra rehetra eo amin’ izao tontolo izao, dia ny filan’ ny nofo sy ny filan’ ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ ny Ray, fa avy amin’ izao tontolo izao ihany.17 Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
I JAONA 2 :12-17

NY FAMPIORENANA  NY OLONA HO AMIN’NY FAMONJENA

Mametraka  ny  mpino amin’ny anjara toerana  misy azy  eto ny mpanoratra. Mpino efa nandray ny famonjena tao amin’i Jesoa Kristy noho izany  mila mitoetra amin’izany famonjena izany.

1-Fanamafisana ny maha-olomboavonjy

Mazava  tsara eto fa ny sokajin’olona  rehetra no hanoratana   izao taratasy izao  . Omena toromarika ny olon’ny fiangonana, ny olona efa kristiana. Efa miaina  amin’ny fiainam-pamonjena izy ireo satria olona voavela heloka, nandresy  ny ratsy, mahalala ny Ray  ary indrindra manana ny Tenin’ Andriamanitra  eo  amin’ny fiainany. Anarina ny olom-boavonjy mba  hitoetra amin’ izany famonjena  izany mba tsy ho very  maina ny fanolorantenan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Efa  novonjen’i Jesoa Kristy ianao. Mitoera tsara ao Aminy.

2-Fivelomana  amin’ny sitrapon’ Andriamanitra

Taomina ny kristiana  tsy ho variana amin’ny fiainan’ izao tontolo izao . Efa manana sady mahalala an’ Andriamanitra sy ny Teniny  ny mpino. Ny Tenin’ Andriamanitra no mamelona  sy mitondra ny fiainan’ny mpino. Ny olon’izao tontolo izao dia mitondra ny fiainany araka ny sitrapony fa ny mpino, ny olona nandray ny famonjena marina dia mitondra  ny fiainany araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Raha miaina marina araka ny sitrapon’ Andriamanitra isika dia handresy ny ratsy mandrakariva.

Fanontaniana :

Fomba ahoana no tokony ataonao mba handresenao ny fiainan’izao tontolo izao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !