Mofon’aina – ALATSINAINY 13 NOVAMBRA 2017

7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ ny fahitsiana Izy.9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ ny andro fahoriana Izy.10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
SALAMO 9 :7-10

MENDRIKA NY HO ANDRASANA NY TOMPO

Isan’ny boky  mampahafantatra  ny maha-izy  azy an’ Andriamanitra  ny bokin’ny Salamo . Izany rahateo  no mahatonga   ny mpanao salamo  hanandratra  fiderana  an’ Andriamanitra. Mendrika ny ho andrasana  ny Tompo satria :

1-Mpitsara  Izy  (and 7-8)

Marina sy mahitsy Andriamanitra. Amin’ny fahamarinana  sy  ny fahitsiana  noho izany  no tsy maintsy  hitsarany  ny firenena rehetra. Izay rehetra miandrandra ny fahamarinana  sy ny hitsiny  dia maharitra  amin’ny fiandrasana ny Tompo. Izy  no mpitsara marina.

2-Mpiaro  Izy (and 9)

Ny raharaham-pitsarana  rehetra  dia ahitana  mpitsara  sy mpiaro. Tsy hitoetra ho mpitsara  antsika fotsiny  ny  Tompo fa hitsangana  ho mpiaro  antsika ihany  koa izy .Fialofan’ireo mahantra  sy ozoim-pahoriana Izy. Izany no maha- zava-dehibe  ny fiandrasana  Azy   mba hiaro   antsika  amin’ny fiampangana  sy fanamelohan’i satana  (Rom 8 :33-34).

3-Mahatoky  Izy (and 10)

Noho  ireo  maha-izy  Azy ireo  dia azo  tokisana ny Tompo. Miandany  mandrakariva amin’izay mitady  sy  matoky  ny famonjeny  tokoa Izy. Andrandrao  ny  Tompo fa ho avy  izy, ilay Mpitsara  marina sady mpiaro  azo antoka.

Fanontaniana:

Inona no porofo  manambara  fa mpitsara sy mpiaro  tokoa i Jesoa Kristy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !