Mofon’aina – ZOMA 10 NOVAMBRA 2017

1 Tandremo mba tsy hanao ny asan’ ny fahamarinanareo eo imason’ ny olona hahitany izany; fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.2 Koa amin’ izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ ny synagoga sy eny an-dàlambe mba hankalazan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon’ ny tananao ankavanana,4 mba hatao ao amin’ ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina, no hamaly anao.5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan’ ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.6 Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ ny Rainao, Izay ao amin’ ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ ny mangingina no hamaly anao.7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan’ ny teniny no hihainoana azy.8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.9 Koa amin’ izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.12 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.13 Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy.14 Fa raha mamela ny fahadisoan’ ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
MATIO 6 :1-15

NY MPANARA-DIA NY TOMPO

Mba hiavahana  amin’ny mpivavaka  hafa, ny mpanara-dia ny  Tompo dia

1-Miasa mangina (and 2-4)

Ampianarin’i Jesoa  hanao asa fiantrana isika. Manao  izany  koa anefa  dia ny  tsy mpino  aza. Saingy  manao  izany   ho filan-dera sy  filàna  sitraka  amin   ‘ny olona izy ireny .Ny  mifanohitra amin’izany  kosa no ampianarin’ny Tompo  antsika eto .Asa fiantrana  atao  amin’ny  fitiavana  sy ny fanetrentena  ka tsy hisehosehoana na itadiavana  sitraka amin’ny olona . Tsy  miafina  amin’ Andriamanitra ny asa soa  ataontsika  na dia  hatao  ao amin’ny mangingina sy lavitry  ny mason’ny  mpitazana aza.

2-Mivavaka mangina (and 5-15)

Toy izany  koa  ny fomba fivavaka  sy ny tonombavaka atao. Tsy  ny  fisehoana ivelany  na ny halavan’ny  tonombavaka hatao no ilazana  fa tena mpivavaka  marina isika. Ny vavaka  atao  amin’ny fanetrentena  sy ny  fahatsorana  ary tsy miolakolaka no sitrak’ Andriamanitra. Ohatra tsara indrindra  amin’izany ny vavaka  nampianarin’ i Jesoa antsika. Asongadin’ny  Tompo eto fa zava-dehibe  ny fahavononana hamela heloka (and14-15). Ny fahaizana  mamela heloka no mahatsara  ny fifandraisantsika  amin’ Andriamanitra  sy amin’ny mpiara-belona amintsika ary  amin’ny tenantsika ihany  koa .

Fanontaniana:

Inona  no sakana  tsy hahafahanao  mamela ny heloky  ny hafa?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !