Mofon’aina – Alatsinainy 16 janoary 2017

4 Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak’ Isiraely ny taranak’ i Amona.5 Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak’ i Amona, dia nandeha ny loholon’ i Gileada haka an’ i Jefta hiala any amin’ ny tany Toba.6 Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin’ ny taranak’ i Amona.7 Fa hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’ ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?8 Dia hoy ny loholon’ i Gileada tamin’ i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin’ ny taranak’ i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada hianao.9 Dia hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin’ ny taranak’ i Amona, ka hatolotr’ i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?10 Dia hoy ny loholon’ i Gileada tamin’ i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.
MPITSARA 11 :4-10

NY TOMPO NO MIFIDY IZAY TIANY

1-Mahatoky amin’ny fitiavany sy ny fifidianany Izy

Miharihary eto hatrany ny fomba fifidianan’ny Tompo. I Jefta izay zanaky ny vehivavy janga no nofidiny teo amin’ny mpianakavin’ny rainy. Olona noroahina sy nailikilika (Mpi 11.2). I Davida Mpanjaka koa dia ny kely indrindra, ny faralahy nefa izy no voafidin’ny Tompo. Ny iva razana sy ny fanevateva no nofidiny, dia ny natao ho tsy misy aza (1 Kor 1.28). Izany no fomban’ny Tompo ary naharihariny fa ny vato nolavin’ny mpanao trano no tonga fehizoro. Tsy misy fizahan-tavan’olona ao Aminy. Mahazo matoky Azy isika na dia hamavoina aza fa mahatoky amin’ny fitiavany sy ny fifidianany Izy.

2-Mahatoky amin’ny maha- vavolombelona Azy Izy

Miantso ny Tompo ho vavolombelona izay te-hanaporofo fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany izay nambarany ka nekeny na nifanekeny. Te-hilaza marina ny havan’i Jefta sy ny rahalahiny fa tsy handroaka azy intsony, ary hanao azy ho mpitarika aza.Tsy hivadika amin’ny teniny izy ireo fa hanao izany marina tokoa. Izany no fomban’ny mpino fa mba manao ahoana isika manao fanekena hoe : « Eto anatrehan’ Andriamanitra sy ny fiangonana… ».Fandraisana Azy ho vavolombelona izany. Moa matahotra Azy tokoa ve isika ka mankato sy manatanteraka izay nekentsika ? Vavolombelona mahatoky, tsy azo andaingana, na sanatria hofitahina ny Tompo. Matahora fa mbola hijinja izay nafafintsika isika amin’ireny.

Fanontaniana :

Inona tokoa no efa nekenao teo anatrehan’ny Tompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !