Mofon’aina – Zoma 13 janoary 2017

1 Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak’ i Karea, sy Jazania, zanak’ i Hosaia, mbamin’ ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona2 ka niteny tamin’ i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan’ ny masonao izao),3 mba hambaran’ i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.4 Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin’ i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin’ i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.5 Dia hoy izy tamin’ i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan’ i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.6 Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon’ i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray izahay.7 Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah.8 Ary izy niantso an’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin’ ny olona rehetra, na kely na lehibe,9 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko eo anatrehany ny fifonanareo:10 Raha mbola honina amin’ ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin’ ny loza namelezako anareo.11 Aza matahotra ny mpanjakan’ i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin’ ny tànany.12 Ary hataoko mahita famindrampo ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin’ ny taninareo.
JEREMIA 42 :1-12

VAVOLOMBELON’NY FANEKENA ATAONTSIKA NY TOMPO

Nampalahelo ny toe-javatra tao Jerosalema nifamatotra tamin’ity Jer 42 ity. Efa lasan-ko babo tany Babylona ny maro, fa vitsy an’isa no sisa nonina tao. Mbola nifamono ihany ny tao ary nisy fikomiana. Nandositra nankany Egypta ny mponina sy miaramila noho ny korontana. Teny an-dàlana izy ireo no nivily tao amin’i Jeremia hanontany marina izay tena hevitry ny Tompo momba izay hataony sy halehany manoloana izao loza sy korontana izao.

1-Henoy aloha ny Tenin’ny Tompo

Nianiana ireto miaramila sy vahoaka handositra ho any Egypta ireto fa hanaraka izay hevitr’ Andriamanitra hambaran’i Jeremia (and5). Manamafy ny fahavononana hihaino sy hankato izany . Fanaontsika ny manao fanekena manomboka amin’ny Batisa sy amin’ny fanokanana. Raisintsika ho fianianana aza izany, nefa dia ataontsika am-pahazarana koa. Fantaro sy henoy ny Tenin’ny Tompo vao manao fanekena isika.

2-Raiso fa mahasoa ny Tenin’ny Tompo

Mafy orina ny fanambarana rehefa misy vavolombelona. Ny Tompo no vavilombelona fa nilaza hankato izay teny ampitondraina ny mpaminany ny vahoaka, na ho soa na ho ratsy fa hahasoa izany (and6). Ny Fiangonana no mpaminany mpilaza ny hafatry ny Tompo. Raiso izany ary ekeo fa hahasoa antsika, na dia mety hampangidihidy sofina antsika aza ny mihaino izany indraindray.

Fanontaniana:

Moa efa nisy Tenin’ny Tompo nanahirana antsika ve, nefa fantantsika fa mahasoa antsika ? Inona ny hevitrao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen.