MOFON’AINA ALATSINAINY 18 JOLAY 2022

10 Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany. 12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesoa, dia henjehina. 13 Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina. 14 Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; 15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa. 16 Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, 17 mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.II TIMOTY 3:10-17

NY OLONA MIHAZONA NY FAMPIANARANA NOMENA AZY

1-Miaritra fanenjehana

« eny izay rehetra te-hivelona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa dia enjehina » (and 12)

Manafitohina ny mpino kristiana ankehitriny izany teny izany ,indrindra ireo mihevitra fa rehefa kristiana dia milamina tsy misy olana ny fiainana. Kolotsaina manalavitra ny fanekena ny fanenjehana no ananan’ny kristiana ankehitriny, kanefa rehefa tsy misy ny fanenjehana dia tsy misy ny hery sy ny finoana enti-manompo .Tao amin’ny fiaretana fanenjehana no niainan’i Jesoa Kristy ny fankatoavana an’Andriamanitra. Ampiasain’Andriamanitra ho fampitomboana ny finoan’ny zanany ny fanenjehana sady ho fiombonana fahoriana amin’i Jesoa Kristy ihany koa. Raha misy fanenjehana anao satria mpino ianao dia mahereza.

2-Mizotra mankany amin’ny fahatanterahana

« mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra ho vonona tsara amin’ny asa tsara rehetra » (and 17)

Ny mpamaritoetra hoe: « tanteraka » eto dia entina milaza ny olona manana ny fitaovana rehetra ary mifanaraka amin’izay ilaina .Izany fitaovana izany dia tsy inona akory fa ny Soratra Masina (and 16). Rehefa manana ny Tenin’Andriamanitra entina manatanteraka ny asa fanompoana ny olona dia mitombo hatrany ny fahavononany hanao ny asa fanompoana .Ho anao koa, fenoy Soratra Masina ny tenanao mba hahafahanao manana vatsy hampitaina amin’ny hafa. Mialohan’ny hampitana izany amin’ny hafa anefa dia tsy maintsy ilay olon’Andriamanitra aloha no manatanteraka izay voalazan’ny Soratra Masina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.