MOFON’AINA TALATA 19 JOLAY 2022

1 Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ny Tesaloniana, izay ao amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.2 Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ny fivavahanay, 3 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ny fanantenana an i Jesoa Kristy Tompontsika eo imason’Andriamanitra Raintsika; 4 fa fantatray, ry rahalahy malalan’Andriamanitra, ny fifidianana anareo, 5 fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo. 6 Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ny fahoriana be mbamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina, 7 ka dia tonga fianarana ho an’ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo. 8 Fa avy taminareo no nanenoan’ny tenin’ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan’ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony. 9 Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ny sampy hiverenana amin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, 10 ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ny maty, dia Jesoa, izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.I TESALONIANA 1:1-10

NY OLONA MANDRAY NY FILAZANTSARA

1-Tonga fianarana ho an’ny hafa

« ka dia tonga fianarana ho an’ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo » (and 7). Ireto mpino tany Tesalonika ireto dia voalaza fa nandray tsara ny Filazantsara tamin’ny fahoriana be ,tamin’ny hery sy fifaliana avy amin’ny Fanahy Masina ihany koa ,sady niasa tamin’ny teny izay notorin’i Paoly ny herin’Andriamanitra no niasa tamin’ny mpihaino ihany koa .Tonga modely nalain’ny fiangonana hafa tahaka azy ireo . Rehefa raisin’ny olona amin’ny finoana araka ny herin’ny Fanahy Masina ny Filazantsara dia tonga fianarana ho an’ny hafa izy , satria marina ny fijoroana ho vavolombelon’ny Filazantsara .Raiso amin’ny finoana ny Filazantsara araka ny herin’ny Fanahy dia ho tonga fianarana ho an’ny hafa ianao .

2-Miala amin’ny sampy

« …nialanareo tamin’ny sampy hiverenana amin’Andriamanitra mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina » (and 9)

Rehefa nandray ny Filazantsara ireo kristiana tany Tesalonika dia niely eran’i Makedonia sy Akaia ary tany amin’ny tany rehetra ny lazany .Niala tamin’ny fanompoan-tsampy ny mpino tany Tesalonika , ary ireo izay nandre izany no nampilaza izany vaovao izany tany amin’i Paoly fa efa niverina tamin’Andriamanitra izy ireo .Famantarana fa efa nandray ny Filazantsara tamin’ny finoana ny fialan’ny olona amin’ny fanompoan-tsampy .Rehefa nandray ny Filazantsara amin’ny finoana marina ny olona dia miala amin’ny fanompoantsampy .Raiso amin’ny finoana ny Filazantsara ka mialà amin’ny fanompoantsampy .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.