MOFON’AINA ALATSINAINY 19 SEPTAMBRA 2022

5 Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ? 6 Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina. 7 Ary mangataka amin’Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay. 8 Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa. 9 Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo. 10 Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen’ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.II KORINTIANA 13 :5-10

NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA MIKELY AINA AMIN’NY FITORIANA NY FILAZANTSARA

1-Mitarika sy mampirisika ny mino handini-tena mandrakariva

Tsy mitory fahatany ny Filazantsara akory i Paoly fa misy tanjona goavana kendreny amin’izany, dia ny itoeran’ny olona amin’ny finoana sy hiorenany amin’izany. Tsy misy dikany ny Filazantsara torian’ny Fiangonana raha tsy mampiorina ny olona amin’ny finoana. Zava-dehibe ao anatin’izany ny fampahafantarana ny mino fa ao anatiny i Jesoa Kristy, raha tsy olona nolavin’ny Tompo izy. Tsy ny hitaona ny olona ho mpanaraka ny mpitory Filazantsara no tena tanjon’ny irak’ i Kristy fa ny hahatonga ny olona hiorina amin’ny finoana ka ho voavonjy .Izany no mahatonga ny tena mpitory Filazantsara hanao ho zava-dehibe ny fitarihana sy fampirisihana ny olona handini-tena ny fitarihana sy fampirisihana ny olona handini-tena mandrakariva na mitoetra amin’ny finoana izy na tsia .Ny finoana mantsy no namonjena antsika , hoy ny Soratra Masina.

2-Dia mijoro vavolombelona eo anatrehan’ny olona ny maha-olomboafidin’i Kristy azy (and 7)

Niezaka nijoro tamin’ny maha- irak’iKristy azy i Paoly. Manana fanantenana izy araka ny hita eto (and.6). Nijoro ho vavolombelon’izany izy ary nasehony tamin’ny asa fitoriana nataony fa ao anatiny i Kristy .Noho izany dia olonolom-poana izy na olona nolavin’ny Tompo (olona tsy ekeny) fa tena iraka marina avy Aminy hitory ny Filazantsarany .Araka izany dia zava-dehibe eo amin’ireo mikely aina aamin’ny fitoriana ny Filazantsara velona eo anatrehan’ny olona ny toetra aseho , fiainana manontolo mba tsy hisalasalan’izay mihaino ny Filazantsara toriany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.