MOFON’AINA TALATA 20 SEPTAMBRA 2022

12 Indro ny faharetan’ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy.13 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.14 Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak’Olona nipetraka teo ambonin’ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany. 15 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ny tempoly, niantso tamin’ny feo mahery ka nanao tamin’ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany. 16 Dia naroson’ilay nipetraka teo ambonin’ny rahona tamin’ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.APOKALYPSY 14:12-16

NY MPANOMPO MIKELY AINA AMIN’NY FANARAHANA NY TOMPO

1-Dia manana fanantenana na dia misedra fahafatesana aza

Fampanantenana natao ho an’ireo kristiana voaenjika indrindra izao voalaza izao (and 13). Nihatra tamana aina mihitsy mantsy ny fanenjehana nataon’ny Amperora Romana, indrindra fa tamin’ireo Apostoly . Toky ho azy ireo ny mahafantatra fa sambatra ny maty ao amin’ny Tompo .Koa raha te-ho faty ao amin’ny Tompo isika rahatrizay dia tsy maintsy velona ao Aminy aloha , satria izay velona ao Aminy ihany no ho faty ao Aminy ihany koa rahatrizay ka ho sambatra .Tsy hoe : mbola hanohy ny asa izay natao tety an-tany akory ny olona rehefa maty fa ny asany manaraka azy .Fa ny tiana ambara aorian’ny fahafatesana dia izay vita tety an-tany ihany no manaraka anao ka hitsarana anao any an-danitra .

2-Dia manana fanantenana fa hisy farany avokoa izay rehetra atao ety an-tany (and 14)

Hitantsika eto fa amin’ny maha-boky Apokalyptika voasoratra tao antin’ny fanenjehana azy dia mampiasa sariteny ny mpanoratra mba ho fampitan-kafatra : rahona fotsy, zanak’olona, izay toa entiny manondro an’i Jesoa, fijinjana maharitra, izay entina manondro ny fitsarana farany dia ny fitsaran’i Kristy . Araka izany, ireto andininy ireto (and 14-16) dia maneho ny fiafaran’izao tontolo izao, ka hiseho ny ftsarana farany na dia manjakazaka manampatra ny fahefany amin’ny mino aza ny Amperora Romana .Hisy farany izany, satria efa ho avy ny fijinjana (fitsarana farany).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.