Mofon’aina – Alatsinainy 20 martsa 2017

11 Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ ny nofo, fa miady amin’ ny fanahy ireny;12 ary aoka ho tsara ny fitondran-tenanareo eo amin’ ny jentilisa, mba hankalazany an’ Andriamanitra amin’ ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.13 Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,14 na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.15 Fa toy izany no sitrapon’ Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ ny olona adala amin’ ny fanaovan-tsoa;16 fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’ Andriamanitra.17 Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’ Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
1 PETERA 2 :11-17

NY TOE-PANAHY MENDRIKA NY MAHA- KRISTIANA

Mananatra sy mampirisika  ny mpino hivelona  amin’ny fiainana kristiana marina i Petera .

1-Kristiana  maneho ny fahatsaran’ Andriamanitra

Miaina  ao anatin’ny fiaraha-monina  isehoan-javatra  samihafa  ny fiangonana. Toe-javatra  izay maro  no mety  hifanohitra  amin’ny fiainana maha-kristiana. Mety  holazain’ny mpitazana  fa miaina  toy ny fanaon’izy ireo  ny kristiana. Mazava tsara noho izany  ny fananarana atao amin’ny mpino : mijoroa, misehoa ho tena kristiana. Ataovy  ho fitsipi-piainana  hitondrana  ny fiainana ny sitrapon’ Andriamanitra. Raha mitondra ny fiainana  araka ny Tenin’ Andriamanitra ny mpino  dia ho gaga  izao tontolo  izao fa  hafa  tokoa  izany fiainana kristiana izany. Fiainana maneho  ny fahatsaran’ Andriamanitra.

2-Kristiana miaina  amin’ny fitiavana

Tarihana hankato  ny fahefana  mitondra ny fiaraha-monina  ny  kristiana. Tsy noho   ilay mpitondra  manokana  fa noho i Jesoa Kristy   Ilay Tompo  izay tompoiny  .Toa  aseho  fa ny fahefana rehetra izay misy  dia avy amin’ Andriamanitra na navelan’ Andriamanitra  hiseho. Fiainana miavaka  ny fiainana kristiana satria manaraka  ny didin’i Jesoa Kristy  ka mahay manaja na dia  izay heverina ho fahavalo aza. Ary indrindra, ilay fitiavan’ Andriamanitra  manapaka ao anatiny   dia mitarika  ny  mpino   hahay  hitia hatrany sy hahay mampian-trano vahiny ary izay mila-tolo-tànana.

Fanontaniana:

 Mety  misy  kristiana  ve sarotra hiaraha-monina?

Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !