MOFON’AINA ALATSINAINY 25 APRILY 2022

7Fa tsy misy velon-ko an’ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an’ny tenany. 8Fa raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’ny Tompo ihany. 9Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy.ROMANA 14:7-9

JESOA KRISTY TOMPO

1 – Anton’ny ahavelomana

« Fa raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo » (and. 8). Misy foto-kevitra mazava, misy fironana mazava, ary misy andraikitra mazava tsara ny antony ahaveloman’ny mpino. Tsy tahaka ny sasany izay velona mba hihinana, velona mba hitsentsitra. velona mba hitady… Na dia manana mpiandraikitra mifehy aza ny mpino dia Andriamanitra irery no Tompony, ka raha misy toromarika, fombafomba mifanohitra amin’ny sitrapon’ny Tompo dia afaka mandà izany ny mpino. Velona mba hijoro vavolombelona, hitory ny famonjen’i Jesoa. Anehoana ny voninahiny ny ataontsika rehetra.

2 – Manana fahefana feno amin’ny velona sy ny maty

« Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’ny Tompo ihany » (and. 8d): Ny hoe Tompo dia manana fahefana feno amin’ny mpanompony. Fahefana tsy voafetra, ary fahefana afaka mifehy, mibaiko, mitsara, manasazy, manafaka, mamonjy, manavotra. Manana fahefana amin’ny velona ny Tompo ka fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo, mandra-paha antitra, eny na efa modimandry,aorian’ny fahafatesana dia ananan’ny Tompo fahefana hatrany. Maneho izany ny nataon’i Jesoa tamin’i Lazarosy. Ny fisarahana amin’ny Tompo dia endrika isehoan’ny fahafatesana ihany koa. Araka izany dia manana fahefana hanangana ireny ny Tompo. Ahatonga azy ireo ho olom-baovao. Maneho ny maha Andriamanitra an’i jesoa izany fahefany amin’ny velona sy ny maty izany. Jesoa Kristy no Tompontsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.