MOFON’AINA TALATA 26 APRILY 2022

18Ary Betania dia tao akaikin’i Jerosalema, tokony ho dimy ambin’ny folo stadio no elanelany. 19Ary maro tamin’ny Jiosy no efa tonga teo amin’i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin’ny anadahiny. 20Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano. 21Ary hoy Marta tamin’i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. 22Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’Andriamanitra dia homen’Andriamanitra Anao. 23Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao. 24Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany; 25Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. 26Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? 27Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao.JAONA 11: 8-27

NOMENA SAINA MANDINIKA ISIKA AHATSAPANA FA:

1 – Zava-doza ny fahabangan’i Jesoa

« Raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko » (and. 21): Fantatr’i Marta tsara ny fatiantoka goavana vokatry ny tsy maha eo ny Tompo. Fahafatesana, alahelo, ranomaso, fahadisoam-panantenana, nenina, fahakiviana, harerahana, izany no toe-javatra iainan’ireo olona maro izay lavitra ny fanatrehan’ny Tompo. Ny mampieritreritra dia olona akaikin’ny fon’i Jesoa na Marta na Maria na Lazarosy saingy niniany nampahafantarina ny fahabangany sy ny fahamarinan’ilay teniny hoe : « ety amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana » (Jao. 16. 33). Ny fahatsapana ny fikorontanam-piainana noho ny fahabangan’i Jesoa dia efa asan’ny Fanahy Masina sahady ahafahana mivoatra. Ireny no miseho dia ny hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra.

2 – Sarobidy ny fanatrehan’i Jesoa

Jesoa Kristy no vahaolana dieny ankehitriny araka ny teniny hoe : « Hitsangana ny anadahinao » (and. 23). Asehon’ny Tompo fa tsy ny hasarotry ny olana akory no ilazana fa tsy misy vahaolana intsony. Ao amin’ny toerana misy fahafatesana, alahelo, fahakiviana, dia afaka manova ny zava-misy ny Tompo. Eny fa izay heverina ho maimbo sy lo, voafatotra tanteraka, dia manam-pahefana amin’ny velona sy ny maty ny Tompo. Eo amin’ny toerana misy ny fanatrehan’ny Tompo dia misy vahaolana mazava, fanantenana, valim-bavaka, fifaliana, fahagagana. Manamafy izany ny Tompo araka ny teniny hoe : « Izaho no fananganana sy fiainana ». Manana vahaolana mihoatra noho izay takatry ny sainao ny Tompontsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.