MOFON’AINA SABOTSY 23 JOLAY 2022

5 Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: 6 Ento ny firenen’i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan’i Arona mpisorona mba hanompo azy. 7 Dia hitandrina ny anjara-raharahan’i Arona sy ny anjara raharahan’ny fiangonana rehetra eo anoloan’ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin’ny tabernakely. 8 Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan’ny Zanak’Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin’ny tabernakely. 9 Ary homenao an’i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin’ny Zanak’Isiraely ireo. 10 Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.NOMERY 3:5-10

NY OLOM-BOAFIDIN ANDRIAMANITRA

1- Manompo Azy

«Ento ny firenena Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan’i Arona mpisorona mba hanompo azy.» (And.6). Ny taranak’i Levy no nofidian’ Andriamanitra hanao ny asa fanompoana eo amin’ny Tabernakely. Izy ireo no voafidy hitandrina ny fandaminan-draharaha ao anatin’ny Tranolay fihaonana. Manampy an’i Arona amin’ny fanatanterahana ny fisoronana eo anivon’ny Tabernakely ny Levita. Hanompo Azy no antony nifidianan Andriamanitra olona hanao ny raharaha eo amin’ny Tranony, dia ny Fiangonana izany. Antso sy fifidianan Andriamanitra no mahatonga izany. Koa tanteraho amin’ny fifaliana sy amin-joto. tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy. ny fanompoanao eo amin’ny Fiangonana.

2 Manao asa manokana

« Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.» (And 10). Ny Levita avy amin’ny taranak’i Arona no nofidin’ny Tompo hanao ny asa fisoronana teo amin’ny taranolay fihaonana. Asa fanompoana manokana sady voatokana ho azy ireo izany ka tsy misy mahazo manao izany. Ary raha misy olon-kafa eo manao izany asa fanompoana izany dia « hatao maty ». Asa fanompoana manokana ataon’ny olom-boafidin’Andriamanitra no eo anivon’ny Fiangonana. Noho izany, tsy azon ny olona tsy voatokana ho amin’izany atao. Kanefa ny olona rehetra kosa afaka manolotra ny tenany ho an Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.