MOFON’AINA ALATSINAINY 26 SEPTAMBRA 2022

1 Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe: 2 Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’Andriamanitra. 3 Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho. 4 Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin’ny fahalalana no eto aminao. 5 Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin’ny herin’ny fahalalana Izy. 6 Tsy mitsimbina ny ain’ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ny ory. 7 Tsy mampiala ny masony amin’ny marina Izy; Eo amin’ny mpanjaka ambonin’ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra. 8 Ary raha voafatotra amin’ny gadra izy sy voafehy amin’ny tadin’ny fahoriana. 9 Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny. 10 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ny ratsy. 11 Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin’ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin’ny fahafinaretana 12 Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan’ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana. 13 Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; 14 Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin’ny olom-betaveta, 15 Fa ny fahorian’ny ory kosa no entin’Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.JOBA 36 :1-15

IREO ISAN’NY MAMPIAVAKA NY TOMPONTSIKA

1-Ny fahalehibiazany

« Indro lehibe Andriamanitra » (and 5) .Tsy takatry ny sain’olombelona mihitsy izany fahalehibiazan’Andriamanitra izany. Tsy arakaraka io fahalehibiazany io anefa fa indro ny Tompo maneho ny indrafony amintsika. Maneho izany ny fiatrehan’ny Tompo am-pahatoniana izay ambaran’ny mpanompony na dia maneho tsy fahamatorana aza ireo mpanompony indraindray ka miady hevitra amin’ny fandaharany. Avo fipetraka Izy fa iva fijery.

2-Ny fitiavany

« Raha mihaino ka manaiky azy izy dia lany amin’ny fiadanana ny androny » (and 11). Ilay Andriamanitra fitiavana dia mandidy ny mpanompony hibebaka (and 10). Raha miaiky heloka sy miova famindra ireo, dia manome toky ny Tompo fa hiaina fiadanana hatrany izany olom-baovao niova fo izany. Mampahatsiaro ny tenin’i Jesoa tamin’i Zakaiosy izay nilazany fa izy koa dia zanak’i Abrahama. Na ny fiaraha-monina aza tonga vaovao avy eo.

3-Ny famonjeny

« Fa ny fahorian’ny ory kosa no entin’Andriamanitra mamonjy azy » (and 15). Andriamanitra dia mikendry famonjena mandrakariva amin’ny mpanompony. Tsy mijery ivelany izy fa mijery ny toe-pon’ny olona. Mampahatsiaro ny tenin’i Jesoa Kristy momba ny « malahelo am-panahy » izay handova ny fanjakan’ny lanitra (Mat 5 :3) sy ny ory izay hampifaliana izany (Mat 5 :4). Tsy mijery tavan’olona ny mpamonjy fa mpitsara marina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.