TALATA 27 SEPTAMBRA 2022

8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny filazantsarako, 9 izay iaretako fahoriana hatramin’ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. 10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy, mba hahazoan’ireny koa famonjena. dia izay ao amin’i Kristy Jesosy. mbamin’ny voninahitra mandrakizay. 11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika; 13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.II TIMOTY 2 :8-13

MIKELEZA AINA HATRANY

1-Noho i Jesoa Kristy

« Tsarovy Jesoa Kristy izay nitsangana tamin’ny maty … »(and 8) .Tena hery lehibe mampahery ny mpino hikely aina amin’ny fanompoana ary hiaritra ireo zava-tsarotra samihafa i Jesoa Kristy . Izy ,ilay niaritra ny mafy izay nihatra tamin’ny ainy kanefa nandresy .Izany fiaretany sy fandreseny izany dia mahatonga ny mpino hanana fanantenana velona sady hiandrandra fandresena ihany koa.

2-Noho ny Tenin’Andriamanitra

« ny Tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra » (and 9b). Ny olombelona azo gadraina , ny mpanompon’Andriamanitra azo enjehina sy fatorana noho ny fanompoany an’i Jesoa Kristy fa ny Tenin’Andriamanitra kosa tsy mba toy izany . Tsy misy afaka mamatotra sy mametra ny fiasan’ny Tenin’Andriamanitra. Ny tantara dia mampahatsiaro antsika fa arakaraka ny nangejana ny fielezan’ny Baiboly teto amintsika no vao mainka nampiroborobo ny finoana.

3-Noho ireo olom-boafidy

« izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy mba hahazoan’ireny koa famonjena » (and 10) .Tsy mampaninona an’i Paoly mihitsy ny fiatrehana ny zava-tsarotra noho ny finoana an’i Jesoa Kristy .Fantany fa hisy akony tsara amin’ny fijoroan’ny hafa amin’ny fanompoana ihany koa izany Jesoa izay efa nanambara hoe: « Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao dia ny mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany » (Jao 15 :13).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.