Mofon’aina – ALATSINAINY 27 NOVAMBRA 2017

16 Izaho Jesoa naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an’ ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’ i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.17 Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ ny ranon’ aina.18 Izaho dia manambara amin’ izay rehetra mandre ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ ity boky ity ho azy;19 ary raha misy manaisotra amin’ ny teny amin’ ny bokin’ ity faminaniana ity, dia hesorin’ Andriamanitra ny anjarany amin’ ny hazon’ aina sy amin’ ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin’ ity boky ity.20 Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesoa Tompo!21 Ho amin’ ny olona masina anie ny fahasoavan’ i Jesoa Tompo. Amena.
APOKALYPSY 22 :16-21

NY FIAVIAN’NY TOMPO

« Eny  avy faingana  Aho » and 20

1-Teny  fampanantenana 

Antso  ho  amin’ny fitsaharana ny ambara  eto. Ny  fiombonan’ny  mpino na ny fiangonana tahaka ny  vady  ampakarin’i Kristy  no  miantso fitsaharana ka  tsy hisy intsony ny ranomaso sy ny fahoriana. I Jesoa  , Ilay Andriamanitra  faka sy taranaka avy  amin’i Davida , ho  kintana mamirapiratra  mandrava  ny alina ary  hanambara  ny maraina vaovao  eo amin’ny fiainan’ny mpino. Fanantenana  ny amin’ny ho avy  any am-parany  izany. Fanantenana  hahafaka  hetaheta  ho an’ny fanahin’ireo  mpino izany, dia ny hisotro ny onin’ny ranonainan’ny fiainana  mandrakizay  (ampitahao 22 :1; Isa 55 :1-2).

2-Teny fampitandremana 

Tafiditra  eo anelanelan’ny fampanantenan’i Kristy  ny  fampitandremana nataon’i  Jaona  (and 18-19). Mpanoratra  fotsiny  ihany  anefa   i  Jaona  fa  ny  Tompo   mivantana  mihitsy  no efa nilaza  izany  hatry  ny ela (Deo 4 :2; Jer 26 :2) . Ambara   eto  ny  fahefan’ny  faminaniana  amin’ny teny  koa tsy azo ovana , na hanalana , na hanampiana izany  .Mifampiankina  tanteraka  ny  famonjena  sy ny fiankinana amin’ny Tenin’ Andriamanitra . Izay maharitra  hatramin’ny farany   amin’ny Teny no hovonjena.

Fanontaniana:

Nahoana no mampatahotra  ny olona ny fiavian’i Kristy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !