Mofon’aina – TALATA 28 NOVAMBRA 2017

21 Ary izany no nisamboran’ ny Jiosy ahy teo an-kianjan’ ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.22 Ary noho ny fitahian’ Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka andro-any aho ka manambara na amin’ ny kely na amin’ ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain’ ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,23 fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin’ ny maty ka hitory fahazavana amin’ ny olona Isiraely sy amin’ ny jentilisa.
ASAN’NY APOSTOLY 26 :21-23

MIJORO NY MPANARA-DIA NY TOMPO

1-Na dia enjehina  aza (and 21) 

Vanim-potoana  mavaivay  tamin’ny fanenjehana  ny kristiana  no indro   i Paoly Apostoly   mandahanteny  eo anatrehan’i Agripa  mpanjaka. Manakaiky azy tanteraka ny loza sy ny fahafatesana amin’izany, satria ny hafa aza  natao  haza lambo, mainka  fa ny Apostoly  Paoly izay efa eo anatrehan’ny fitsarana  rahateo. Koa manambara  ny fanenjehana  sy ny fisamborana  ary  ny  fihendrena hahafaty  azy ity  , saingy  noho  ny fitahian ‘ Andriamanitra  no  mbola mampijoro  azy  . Koa na inona na inona   miseho eo  amin’ny fiainantsika  kristiana dia azo itokiana fa ny fitahian’ Andriamanitra no  mampaharitra antsika.

2-Mba hanambara  an’i Kristy  (and 22-23)

Ny  voalazan’ny  lalàna sy ny Mpaminany  no vontoatin’ny fanambarana , izay tsy iza  fa i Jesoa Kristy  maty  sy nitsangana  tamin’ny maty  . I Paoly  eto  dia tsy sasatra  manambara an’i Kristy. Tsy mandehandeha ho  azy  ny fiainantsika. Tsy misy  hoe: vintana  sy anjara  ny antony  ahavelomantsika fa ho  mpitory  sy ho mpanambara  an’i Kristy  amin’ny androntsika  rehetra  , na ho  lava   na ho  fohy izany  . Tsy  maintsy  miainga  amin’ny Tenin’ Andriamanitra voasoratra  ao  amin’ny Soratra masina hatrany  anefa izany , mba ho  marina ny  fanambarana  ataontsika .

Fanontaniana:

Efa nanomboka ny « iraka » ve ianao? Raha « tsia » , inona no antony ? Raha « eny » , inona no mety hampijanona anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !