MOFON’AINA ALATSINAINY 28 FEBROARY 2022

34Ary hoy Maria tamin’ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? 35Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra. 36Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba. 37Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra. 38Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin’ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.LIOKA 1:34 – 38

Teny nataon’ny anjely tamin’i Maria ny hoe: « Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra »( and 37), ary izany indrindra no miseho amin’ny fitantaran’i Lioka. Hafatra lehibe izay ampitaina eto ny hoe tena manatanteraka izay lazainy Andriamanitra koa :

1- Aza manahy na misalasala (and 34)

« Hanao ahoana re no hahatanteraka izany fa tsy mahalala lahy aho ? », fanontaniana toa maneho fisalasalana no nataon’i Maria raha nilazan’ny anjely izy fa hiteraka zazalahy, ary amin’ny fisainan’olombelona dia mitombina tokoa io fanontaniana io; fa tsy sitraky ny Tompo hitoetra amin’ny fisalasalana i Maria (avy amin’ilay ratsy rahateo ny fisalasalana) ka dia nambara taminy mazava hoe: « Ny Fanahy Masina no tonga ao aminao, ary hisy herin’ny avo indrindra hanaloka anao, koa ny Masina izay hateraka dia atao hoe Zanak’Andriamanitra » (and 35). Matokia ny Tompo ianao fa tsy mba mamitaka Izy, manana ny fombany Izy, hefainy izay lazainy!

2- Ekeo am-panetren-tena ny Teniny (and 38)

Nanaiky i Maria ho fitaovana hanatanterahana ny famonjena, tsy ho azy sy ny fireneny ihany fa ho an’izao tontolo izao mihitsy. « Inty aho akizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao » hoy izy. Tsy mora akory ny toerana nisy an’i Maria, tovovavy tsy manam-bady, efa mitoe-jaza sahady, tsy mendrika izany teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy, fa nohon’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy nampaninona azy izany, ary raha zohina ny tantara dia nasehon’Andriamanitra mandrakariva taminy ny fombàny azy. Ianao koa minoa sy maneke ny Tenin’ny Tompo fa tanterahiny izany sady momba anao Izy (Matio 28 : 20).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.