MOFON’AINA TALATA 1 MARTSA 2022

1 Ianareo, zanak’i Benjamina, mandosira faingana hiala an’i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan’afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra. 2 Ziona zanakavavy dia ampitoviko amin’ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka. 3 Ao aminy no alehan’ny mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, ka samy handany ny ao akaikiny avy izy. 4 Mitaova ianareo hanao ady masina hamelezana azy; Mitsangàna, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny hariva. 5 Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak’alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny. 6 Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny. 7 Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana. 8 Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana.JEREMIA 6:1-8

HOVALIAN’I JEHOVAH JEROSALEMA

1-Noho ny haratsiana ao aminy (and 6d, 7)

Tsy nankasitrahan’ny vahoaka loatra i Joiakima tao Jerosalema ka nanjary nampahory azy ireo mafy tamin’ny alalan’ny asa tsy ara-drariny sy tsy misy fitandroana ny zon’olombelona (Jer 22 :13). Ankoatra izany, ara-politika mbola nitoky tamin’ ny herin’Egypta ho mpanampy azy, satria natahotra ny Asyriana mafy fa tsy natoky an’i Jehovah na dia efa nanarin’ireo mpaminany aza. Indrisy anefa, fa ny Babyloniana avy any avaratra no nentin’i Jehovah hamaliana azy ireo noho ny faharatsiany tsy mety lany toy ny loharano .Tandremo ny tsy rariny ataontsika eo amin’ny fiainantsika sy ny tsy fatokiana an’Andriamanintsika, fa mbola hamaliany antsika raha tsy ialantsika.

2-Kanefa mbola ialany nenina ihany aloha (and 8)

Matoa tsofina ny anjomara dia efa manambana ny loza , kanefa mbola misy ihany ny fialana nenina na dia amin’ny ora farany aza .Mahagaga izany , efa mila hihatra ve ny loza mbola mety hisy azony atao ihany ? Eny, ny valiny, fantany izay ataony fa ny andrasany amin’ny olona fotsiny dia ny fanapahankevitra hentitra hiala amin’ny ratsy ka tsy hamerina intsony .Hoy ny Soratra Masina hoe : « Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra » (1 Jaona 1 :9)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.