MOFON’AINA ALATSINAINY 28 OKTOBRA 2019

21 Tsy izay rehetra manao Amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. 22 Maro no hanao Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.
MATIO 7 : 21-23

NY FOMBA HIDIRANA AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Anisan’ny zava-dehibe amin’i Matio ny fampianarana ny amin’ny fanjakan’ny Lanitra. Voambolana fampiasan’i Matio ary anisan’izay mampiavaka azy manokana amin’ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao izany. Eto amin’izao mofonaina izao izy dia milaza mazava ny fomba hidirana amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

  1. Manao ny sitrapon’Andriamanitra (and 21)

« Tsy izay rehetra manao Amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, FA IZAY MANAO NY SITRAPON’NY RAIKO IZAY ANY AN-DANITRA »

Tsy fanajana eo imolotra no tian’i Jesoa tenenina amin’ilay hoe tompoko tompoko. Fa raha tena manaja an’Andriamanitra tokoa, raha tena manome voninahitra Azy tokoa dia tokony ho miseho amin’ny asa izany, tokony ho misy porofo mivaingana izany. Tsy inona izany porofo izany fa ny fanaovana ny sitrapony, izany hoe fanatanterahana ny teniny rehetra voasoratra ao amin’ny Soratra Masina. Fepetra tsy azo ialàna amin’ny fidirana ny fanjakan’ny Lanitra arak’izany ny fanaovana izay rehetra nandidian’ny Tompo. Be dia be mantsy ankehitriny raha jerena ivelany, raha dinihina amin’ny fomba maimaika dia miseho ho tena mpanompon’Andriamanitra kanefa rehefa jerena amin’ny fahaiza-manao ny sitrapon’Andriamanitra dia eo no tsy afaka. Hajao amin’ny vava ny Tompo ka ataovy ho zava-dehibe koa ny fankatoavana izay lazainy sy ny fanaovana ny sitrapony.

  1. Mila fantatr’i Kristy (and 22,23)

« Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay »

Arak’izao fampianaran’i Matio izao dia be dia be no manao asan’Andriamanitra, ary manao izany izy kanefa tsy afa-keloka. Ambaran’i Jesoa hoe mpanao meloka. Ny hoe mpanao dia ho enti-milaza asa mihitsy, izany hoe mpamokatra heloka no tian-kambara eto. Tsy fantatry ny Tompo arak’izany izay rehetra manao ny asa kanefa mbola mandray anjara amin’ny famokarana fahotana eto amin’izao tontolo izao. Nahalasa saina sy mampieritreritra ny tenin’ny Filohan’ny Fiangonana Protestanta rahavavy iray izay nanao hoe: « avelan’Andriamanitra hahavita asa lehibe ho azy isika, havelan’Andriamanitra hahatanteraka zava-dehibe ho Azy isika, kanefa mety tsy havelany handova ny fanjakan’ny lanitra raha toa ka sady hatao ihany ny asan’Andriamanitra kanefa mbola hifikirana ihany ny fahotana ». Io mahavita zavatra maro ho an’ny Tompo io dia mety ho azontsika atao ihany, fa tsy ho ampy hidirana amin’ny fanjakan’ny lanitra anefa izany ka mila tena hitandremana tsara. Raha te hiditra ny fanjakan’ny lanitra isika dia mila fantatr’i Jesoa, tsy ho fantany anefa isika raha toa ka mbola tamana ao anatin’ny zava-mahameloka.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.