MOFON’AINA ALATSINAINY 7 MARTSA 2022

28 Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana.29 Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.30 Hataon’ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy? 31 Fa tsy mba mitovy amin’ny Vatolampintsika ny vatolampin’ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.32 Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok’i Sodoma Ary avy ao amin’ny sahan’i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony.33 Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin’ny dragona, Ary poizina loza avy amin’ny bibilava.34 Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako? 35 Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.DEOTERONOMIA 32:28-35

NY FAMALIANA NY RATSY FANAHY

1- Dia anjaran’Andriamanitra (and 35)

« Ahy ny famaliana ». Ny fahavalon’ny vahokan’Andriamanitra no iharan’izany satria tena ratsy fanahy tokoa ireo. Andriamanitra no namaly ireo tamin’ny ady izay nifanaovan’ny Zanak’i Israely taminy ka resin’ny Zanak’i Israely mandrakariva izy ireo. Izany no fomba namalian’Andriamanitra azy ireo satria ratsy fanahy mpampahory olona. Ankehitriny kosa Jesoa Kristy dia tsy mamela antsika hampiasa hesisatra intsony mba hamaliana herisetra. Azy ny ady fa tsy antsika intsony, efa tsy misy toerana ho an’ny herisetra intsony izao satria ny fitiavana no asaina asolo izany. Fa ny mamaly dia Andriamanitra, ny antsika kosa dia ny manafoana ny herisetra amin’ny alalan’ny fitiavana. Hoy ny Soratra Masina hoe : « Ianareo hangina fa Izaho no hiady ho anareo » (Eksodosy 14 : 14.)

2- Hiverina Aminy ihany ny ataon’y ratsy fanahy

« Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana » (and 35). Ny fampodiavana dia ny fiverenan’ny zavatra atao amin’ny tena ihany . Andriamanita no mampanody izany amin’ny olona na tsara na ratsy nataony satria Jehovah no niteny. Ry havana, misy valiny avokoa ny zavatra rehetra ataon’ny olona indrindra ny ratsy. Tandremo fa mifototra amin’ny tena ihany ny ratsy atao koa aoka isika mba hiala amin’y ratsy fa anisan’ny fomba famalian’Andriamanitra izany. Hoy ny Soratra Masina : « Izay mihady lavaka no ho latsaka ao » (Mpitoriteny 10 : 8)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.