MOFON’AINA SABOTSY 1 OKTOBRA 2022

12 Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, 13 hitandrina ny didin’i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao? 14 Indro, an’i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy. 15 Kanefa ny razanao no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’izao anio izao. 16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly; 18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ianareo. 20 Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao. 21 Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan’ny masonao. 22 Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ianao.DEOTERONOMIA 10:2-22

ANDRIAMANITRA TOMPON’NY TOMPO

1-Tia ny olona rehetra

« Manome rariny ny kamboty sy ny mpitondrantena Izy , sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana » (and 18) . Nanambara ny tenany Andriamanitra nandritry ny fananarany ny Zanak’Israely mba hatahotra Azy. Tsy mizaha tavan’olona na mandray kolikoly fa tia ny olona rehetra ary sarotiny amin’ny fanajana ny marina sy ny rariny Izy. Manoloana izany àry, tsarovy fa Andriamanitra no Tompon’ny Tompo, tia ny olona rehetra. Koa hajao ny rariny, ka aza manao tsinontsinona ny malemy, manaova ny marina amin’ny olona rehetra fa tian’Andriamanitra ny olona rehetra, indrindra ny mahantra sy ny mptondra tena. Mianara ny nataon’i Jesoa Kristy izay tia ny olona rehetra hovonjena, indrindra ireo nailikiliky ny fiaraha-monina.

2-Mandà ny fanompoantsampy

« Jehovah Andriamanitrao no hatahorana …ary Izay no hifikirana, ary ny anarany no hianiananao » (and 20).Mampahatsiahy ny fahalehibiazana amin’ny Zanak’Israely indray Andriamanitra. Tsy misy andriamanitra tahaka Azy .Ary Izy irery ihany no tokony hatahorana sy hotompoina. Amin’ny fotoana izay aneken’ny olona fa tsy misy andriamanitra lehibe noho Jehovah dia tsy hisalasala izany olona izany hisafidy ny Anaran’Andriamanitra Tsitoha. Ary toy izany ihany koa, rehefa mahatsapa ny miaina miaraka amin’Andriamanitra izy dia hiala amin’ny fanompoantsampy. Aza afangaro amin’ny fanompoana andriamani-kafa ny fanompoana an’i Jehovah, fa manompoa Azy amin-tahotra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia hovonjena ianao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.