MOFON’AINA SABOTSY 16 JOLAY 2022

1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ny Farihin’i Genesareta Jesoa; 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. 3 Ary niditra teo amin’ny sambokely anankiray izay an’i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin’i Simona: Mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin’ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. 8 Ary rehefa hitan’i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ny hazan-drano izay azony. 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’i Simona. Dia hoy Jesoa tamin’i Simona: Aza matahotra; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa.LIOKA 5:1-11

NY FANDRENESANA NY TENIN’I JESOA KRISTY

1-Mitondra fahombiazana

« Ary rehefa nataony izany dia nahazo hazandrano be dia be izy ka efa nisy triatra ny haratony » (and 6)

Rehefa tapitra ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra nataon’i Jesoa Kristy dia nanome baiko an’i Simona Izy mba handatsaka ny haratony amin’ny lalina kokoa , kanefa amin’ny alina ary ao amin’ny marivo ihany no hahazoana trondro.Eto anefa , noho ny fankatoavan’i Simona ny Tenin’i Jesoa Kristy dia nahazo trondro maro izy ireo .Rehefa mandre sy mankato ny tenin’i Jesoa Kristy ny olona dia hahita fahombiazana eo amin’ny asany na dia tsy mifanaraka amin’ny traikefa sy ny zava-misy aza izany .Ankatoavy ny tenin’i Jesoa Krity dia hahita fahombiazana ianao.

2-Mampahatsiaro ny maha-mpanota

« Ary rehefa hitan’i Simona Petera izany , dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesao izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko fa olo-meloka aho « (and 8).

Rehefa avy nandatsaka ny haratony tamin’ny lalina , nankato ny Tenin’i Jesoa i Simona , dia nahazo trondro , nahafeno sambokely roa .Nony nahita izany izy dia niankohoka , nanetry tena teo anatrehan’i Jesoa Kristy ka nahatsiaro ny fahotany . Nihoatra ny traikefa nananan’i Simona sy ny namany ny herin’ny tenin’i Jesoa Kristy .Amin’ny fotoana izay hahafantaran’ny olona fa mihoatra lavitra noho ny traikefa ananany ny herin’i Jesoa Kristy dia hanetry tena eo amin’i Jesoa Kristy izy.Amin’ny fotoana izay hahitan’ny olona ny asan’ny herin’i Jesoa Kristy amin’ny fiainany dia hahatsiaro ny maha-mpanota azy .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.