MOFON’AINA ZOMA 15 JOLAY 2022

14 Ary Jesoa, nony niditra tao an-tranon’i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin’i Petera nandry teo nanavin’ny tazo. 15 Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.16 Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ny olona tany Aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa, 17 mba, hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4).MATIO 8:14-17

Ny nanasitranan’i Jesoa ny rafozambavin’i Petera nanavin’ny tazo sy marary hafa maro no tantaraina eto . Aseho amin’izany fa :

1- Manafaka tokoa i Jesoa (and 14)

« Ary i Jesoa nony niditra tao an-tranon’i Petera dia nahita ny rafozambavin’i Petera nandry teo nanavin’ny tazo » . Eto no hahatarafantsika fa i Jesoa dia tsy mba nitazam-potsiny ny olona voageja fa mijery sy manafaka azy ireny. Raha mandinika tsara isika eto dia tsy mahita mihitsy hoe: i Petera na ny rafozam-baviny no nangataka hositranina fa nahim-pon’i Jesoa no nanendreny ny tànany dia niala tamin-dravehivavy ny tazo. Mampahery antsika ny fahalalana izany, fa hay moa na tsy miteny aza isika dia hitan’i Jesoa ary fantany ny mahasoa antsika .Tsikaritra eto ko fa rehefa sitrana ilay vehivavy dia nanompo an’i Jesoa avy hatrany izy .Rehefa nafahan’i Jesoa aza dia manao ririnin-dasa tsy tsaroana fa manompoa Azy . Aza manahaka ireo boka sivy lahy izay faly mahazo dia tsy hita ny nalehany . Sanatria raha atao toy ny tahom-boanjo i Jesoa.

2-Tsy sasatra mikarakara antsika i Jesoa (and 17)

« Ary nony hariva ny andro dia netin’ny olona teny Aminy ny demoniaka maro , ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa » , hoy ny fitantarana eto.Izany hoe: indray andro maninjitra dia teo hatrany i Jesoa ary tsy nandà na iza na iza , fa nositraniny avokoa izay rehetra tonga teo. Porofom-pitiavana tsy manam-paharoa izany ary moa ve mba misy olombelona vonona hikarakara antsika tahaka izao ataon’i Jesoa izao ? Tsia avy hatrany ny valiny. Raha mbola tohizana aza, ny ainy mbola nafoiny hamonjena antsika, ka moa misy olombelona manaiky ho faty noho ny otanao va? Tsia koa no valiny. Ka inona indray no hisalasalana tsy handray Azy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.