MOFON’AINA SABOTSY 28 MAY 2022

1Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. 2Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. 3Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra. 4Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra ianareo. 5Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; 6fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsi-fanarahana; 7izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo. 8Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo. 9Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; 10ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’izay nahary azy. 11Fa amin’izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra.KOLOSIANA 3:1-11

NY OLONA MIAINA MIARAKA AMIN’I KRISTY

1-Mikatsaka ny fiainana ao amin’Andriamanitra

« Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony , any amin’izay itoeran’i Kristy « (and 1).Nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy .Tsy fandresena ho Azy irery izany fa an’ny mpanara-dia Azy ihany koa .Afaka miaina izany fiainam-pandresena izany isika rehefa mino fa ny fiainantsika ankehitriny sy ny ho avy dia ao amin’i Kristy .Hiara-miaina amin’i Kristy ao amin’ny fanjakany isika. Noho izany , meteza hotarihan’ny Fanahy Masina mba hahafahantsika mikatsaka , misaina , mihevitra izany mandrakariva mba tsy ho voafatotry ny zavatry ny tany.

2-Mandà ny fanaon’izao tontolo izao

« Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany … » (and5). Ny fiainam-pandresena noraisin’ny mpino tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia mitaona azy hiambina sy hitandrina mba tsy ho latsaka amin’ny fatoran’ilay ratsy indray. Tsy maintsy mandà ny fitondrantena rehetra mitarika fisarahana amin’Andriamanitra .Ny fitondrantena izay manome anjara toerana ny nofo , mifanohitra amin’ny fahamasinan’Andriamanitra .Mitaky toe-panahy vaovao ny fiainana miaraka amin’i Kristy . Ny mpino manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia afaka manohitra , mandà ny fanaon’izao tontolo izao . Mangataha ny fitarihan’ny Fanahy Masina mandrakariva mba ho mendrika ny famonjena notanterahin’i Jesoa Kristy ianao .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.