MOFON’AINA SABOTSY 30 APRILY 2022

12Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako. 13Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. 14Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo; 15fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. 16Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. 17Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. 18Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza. 19Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.LIOKA 21:12-19

TIAN’NY TOMPO HANDRESY ISIKA KA :

1-Ampiomaniny mialoha

Mampiomana antsika izay hitranga amin’izao vanim-potoana farany izao ny Tompo . Hisy fisamborana, sy fampidirana am-ponja , fampijaliana noho ny Anaran’ny Tompo , hisy havana akaiky hanolotra sy hamadika , hisy fankahalana .Izay tsara fiomanana ,hoy ny fitenenana tsy tampohan’ny loza.Tia antsika ny Tompo ka mampahafantatra antsika mialoha izay hitranga .

2-Tolorany saina

Tsy mionona amin’ny fampiomanana mialoha ihany ny Tompontsika fa manolo-tsaina ihany koa Izy . « Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo , fa Izaho hanome anareo vava sy saina izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena » (and 14-15).Omen’ny Tompo antsika ny Fanahy Masina ,Ilay mpanolo-tsaina , mpisolo vava sy saina entina miatrika sy mandresy ny fahavalo.

3-Omeny toky

« nefa tsy hisy ho very na dia singambolo iray eo lohanareo aza » (and 18).Ireo fiasan’ny Tompo tamin’ireo mpanompony natoky Azy hatrami’izay dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay . Ny fandresena ny lafaoro mahamay , ny liona noana , ireo karazana Goliata izay miseho amin’ny endrika hafa indray dia azo resena tsara .

4-Omeny paikady mazava tsara

« Amin’ny faharetanareo no hahatananreo ny ainareo »(and 18) .Efa nambaran’i Jesoa fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena (Mar 13 :13)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.