MOFON’AINA ALAKAMISY 28 APRILY 2022

1Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin’i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin’i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin’ny famonjenao aho.2Tsy misy masina tahaka an’i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an’Andriamanitsika .3Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.4Tapaka ny tsipìkan’ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.5Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.6Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana.7Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.8Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin’ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an’i Jehovah ny andrin’ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.9Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin’ny maizina; fa tsy amin’ny hery no handresen’ny olona.10Ho torotoro izay miady amin’i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.I SAMOELA 2:1-10

I Hana dia vehivavy tsy niteraka .Nahery nivavaka tamin’i Jehovah izy ary nahazo valim-bavaka ka nanefa voady ary nanao vavaka fisaorana .Nambarany mazava fa :

ILAY ANDRIAMANITRA MAHERY DIA :

1-Masina indrindra

« Tsy misy masina tahaka an’i Jehovah « (and 2) .Andriamanitra irery no masina .Tsy misy tahaka azy .Didiany ho masina ihany koa ny mpanompony. »Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho, hoy i Jehovah « (Lev 20 :26) .Voatokana ho an’ny Tompo isika .

2-Andriamanitry ny fahalalana

« Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana » (and 3d).Izy no nahary antsika .Izy no mahafantatra ny antsipirihany amin’ireo singa mandrafitra ny tenantsika hatramin’ny bitika indrindra .Any aminy ny vaha-olana.

3-Mampitsangana

« Izy no mampidina ho any amin’ny fiainan-tsy hita ary mampitsangana » (and 6) .Fahefan’ny Tompo ny fanapahan-kevitra momba ny ho avin’ny olona, na ho amin’ny fahaverezana, na ho amin’ny famonjena .Raisin’iHana ho toy ny fananganana ny fanomezana taranaka azy na dia efa nanana olana mifanandrify amin’izany aza.

4-Mampanankarena

Samy manana izay heveriny ho harena ny tsirairay .Ho an’iHana dia ny fiatrehana ny rafiny noho ny tsy fananana zanaka no mampahory azy. Rehefa novahan’Andriamanitra io olany io dia nijoro vavolombelona izy fa » Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena » (and 7). Ny fitahian’Andriamanitra no mampanan-karena (Oha 10 :22).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.