MOFON’AINA SABOTSY 30 JOLAY 2022

1 Ary nony niala teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly. 2 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. 3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao. 4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 5 Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. 6 Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. 7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. 8 Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana. 9 Ary dia hatolony ho amin’ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. 10 Ary amin’izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy. 11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. 12 Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. 13 Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. 14 Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.MATIO 24:1-14

NY OLONA MIOMANA AMIN’NY FIAVIAN’NY TOMPO

1-Manorina ny fanantenana amin’i Jesoa Kristy

« Lazaiko aminareo marina tokoa .Tsy avela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana » (and 2)

Ny Tempoly tamin’ny andro nitenenan’i Jesoa Kristy eto dia tsara rafitra, ary nisy ampahany aza nifono volamena mihitsy. Reharehan’ny Jiosy ity tempoly ity, sady nanorenany ny fanantenany, satria mariky ny fitavan’Andriamanitra azy. Nasain’ny mpianatra nijery ny hakanton’ny Tempoly i Jesoa. Nambaran’i Jesoa fa tsy haharitra izany fa ho rava sy ho levona .Na inona na inona tsara ety ambonin’ny tany dia tsy azo hametrahana ny fatokiana, tsy azo hanorenana ny fanantenana.Koa aoreno amin’i Jesoa Kristy ny fanantenanao.

2-Miatrika fahasahiranana samihafa

« Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo » (and 4).

Endrika maro no isehoan’ny fitaka sady efa mitranga izany araka ny fampitandremana ataon’i Jesoa Kristy ny fisian’ny Kristy sandoka, ady eo amin’ny samy firenena, fanenjehana ho an’ny mpino kristiana, fifankahalana, fifampiampangana. Ireo rehetra ireo dia miteraka fahasahiranana sy fahoriana ho an’ny mpino. Manoloana izany, asaina miorina amin’ny finoana ny kristiana, satria « izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (and 13).Tsy maintsy ho tonga ny fahasahiranana fa ny olona miandry ny fiverenan’ny Tompo no mahatahiry ny finoana hatrany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.