MOFON’AINA ZOMA 29 JOLAY 2022

1 Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. 2 Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, 3 tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, 4 manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara 5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’Andriamanitra?), 6 tsy izay zazavao amin’ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fahamelohan’ny devoly. 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.I TIMOTY 3:1-7

NY MPANOMPO MAHATOKY

1-Marina amin’ny fitondrantenany

« Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy mana-tsiny ,manambady tokana ,mahonontena,hendry… »(and 2).

Tamin’ny andro nanoratan’i Paoly Apostoly tamin’i Timoty dia niely ny fampianarana fa tsy olana ny fampirafesana, ny famerenana ny mariazy aorian’ny fisaram-panambadiana, ny fanambadiana fanindroany aorian’ny fahafatesan’ny vady. Ho fanintsiana izany fomba sy toetra izany dia nampahatsiahivina teto fa olona marina amin’ny fitondrantenany no tokony ho mpitarika sy tomponandraikitra eo amin’ny fiangonana, eny ho an’ny mpino kristiana rehetra mihitsy aza izany . Ho fanarenana ny fifandraisana ao amin’ny ankohonana no anton’izany, fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy.

2-Marina amin’ny fifandraisana amin’ny hafa

« Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy , fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny … » (and 7)

Ny mpitondra fivavahana dia tokony ho olona « tsara laza » sy modely eo amin’ny fiaraha-monina misy azy , indrindra ny tsy mpino mba hahafahana mitaona azy ireo ho ao amin’ny finoana an’i Kristy . Arofanina eo amin’ny fanompoana ny fitiavam-bavaka fa làlana misokatra ho amin’ny fahalavoana ny fitiavan-tena .Noho izany, tsy maintsy manana fomba fijery mitodika amin’ny tombotsoan’ny fiaraha-monina ny mpino kristiana .Mitodika hatrany amin’ny fitaomana ny hafa ho ao amin’i Kristy ny fisainan’ny mpitondra fivavahana, ary izany no mahatonga azy tsy maintsy ho « tsara laza ».

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.