MOFON’AINA ALATSINAINY 1 AOGOSITRA 2022

13 Tano amin’ny finoana ny ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko. 14 Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika. 15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan’ireny Fygelo sy Hermogena. 16 Homen’ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan’i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako; 17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita 18 (ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ny Tompo amin’izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.II TIMOTY 1:13-18

NY MAMPIAVAKA NY OLONA MITANA MAFY NY FINOANA

1- Mitana mafy tsara ny teny tsy misy kilema

« Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny teny tsy misy kilema » (and. 1): Ny hoe teny tsy misy kilema dia teny salama tsara, teny madio, teny tsy misy tsiny. Tsy inona izany fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny olona mitana mafy ny finoana dia mitana mafy ny Vaovao Mahafaly. Ilay fanantenan’izao tontolo izao. Mila raisina tsara amim-pinoana, raisina tsara am-pitiavana ao amin’i Kristy io Tenin Andriamanitra io.

2- Manana ny Fanahy Masina ao aminy

« Tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika » (and. 14). Miara-dàlana ny fananana ny Fanahy Masina sy ny fitazonana ny teny tsy misy kilema

3- Mampahery izay mandalo fotoan-tsarotra

« Omen’ny Tompo famindram-po anie ankohonan’i Onesiforosy: satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako » (and. 16). Baikon’i Jesoa ny hamangiana ny voafonja. hampaherezana ny mila vonjy. Na efa lasa lavitra amin’ny finoana aza i Paoly dia mila fampaherezana hatrany. Mijoroa ho mpampahery hatrany.

4- Tsy mandao ao anatin’ny fahasahiranana

« Fantatro fa efa nahafov ahy izay rehetra any Azia; isan’ireny Fygelo sy Hermogena (and 15): Mba isan’reo mpino kristiana ihany ireo tao Azia sy ry Fygelo ary ry Hermogena ireo saingy nandao ny mpiara-manompo ao antin’ny sarotra sady mpiara manompo izay nikely aina tamin’ny fanompoana fa namelombelona finoana Aoka tsy hanary ny namana mandalo fahasahiranana isika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.