MOFON’AINA TALATA 03 SEPTAMBRA 2019

26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; 27 fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; 28 ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, 29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. 30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesoa, Izay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika, 31 mba ho araka ny voasoratra hoe: « Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany » (Jer 9:23)
1 KORINTIANA 1 : 26-31

KRISTIANINA NAMPIRAISIN’ANDRIAMANITRA TAMIN’I KRISTY

Ny and faha-30 amin’izao mofonaina izao dia ilazan’i Paoly hoe: « fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no FAHENDRENA avy Aminy ho antsika, Kristy no andraisantsika ny FAHAMARINAN’Andriamanitra ary ny FANAFAHAN’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana » DIEM. Avy amin’izao andininy izao no ahitantsika fa asan’Andriamanitra ny mampiombona ny kristianina amin’i Jesoa Kristy Zanany. Ary izany fiombonana izany dia miteraka tombontsoa mandrakariva ho an’ny kristianina. Ireto izany tombontsoa izany

  1. Kristianina HERY

« Kristy no hery sy FAHENDREN’ANDRIAMANITRA »

Eo amin’ny and 24 dia ambaran’i Paoly fa Kristy no hery sy fahendren’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy avokoa arak’izany ny Herin’Andriamanitra sy ny fahendreny. Noho izany, rehefa tafaray amin’i Kristy isika dia tonga manana io hery sy fahendren’Andriamanitra io. Izay tafaray marina amin’i Kristy no itoeran’ny fahendreny, izany hoe ny fiombonana sy ny firaisana tanteraka amin’i Jesoa Kristy no mampahendry ny kristianina. Izay mbola tsy ao amin’i Kristy dia mbola tsy hanam-pahendrena velively. Izany no mahatonga antsika fiangonana mitory an’i Kristy mba hiombona Aminy avokoa ny olona rehetra ka ho afaka amin’ny toe-panahy adaladala rehetra mamatotra azy.

  1. Kristianina MARINA

Noho ny fahendren’Andriamanitra azon’ny mino amin’ny firaisany amin’i Kristy dia ho tonga olo-marina izy, ho tonga olona manao ny marina izy. Te hampianatra antsika Paoly fa matoa ny olona efa tonga amin’ny sehatry ny fahamarinana dia vokatry ny firaisany amin’i Kristy izany. Izay rehetra tsy mbola ao amin’ny Tompo, ao amin’i Jesoa Kristy dia tsy mahagaga raha toa ka mbola tsy mahay manao ny marina. Ny mampalahelo eto amin’ny firenentsika dia ny mahita fa tena te hiady amin’ny endriky ny tsy fahamarinana tokoa ny MALAGASY, te handresy ny endriky ny kolikoly samihafa. Tsy mba hita ao amin’izay programa samihafa ho enti-miady amin’ny tsy fahamarinana mihitsy anefa ny ezaka hampiombona ny olona amin’i Kristy. Asa sy andraikitsika fiangonana izany!

  1. Kristianina MASINA

Ny tapany farany amin’ny and 30 io dia milaza mazava Paoly fa « Kristy no andraisantsika… ny FANAFAHAN’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana ». Noho ny amin’ny fiombonana amin’i Kristy arak’izany dia tonga tsy manana hery amintsika intsony ny fahotana. Izay ilay herin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa. Ny hoe afaka amin’ny fahotana dia ho enti-milaza fahamasinana. Ny olona tafaray amin’i Jesoa Kristy arak’izany dia miverina amin’ny fahamasinana. Koa raha miteny isika amin’izao volana izao manao hoe « manompoa ny Tompo amin’ny fahamasinana », dia mitaky ezaka be dia be amintsika izany mba ho tafaray marina amin’i Kristy. Na raha ny marimarina kokoa mila manaiky isika hampiraisin’Andriamanitra amin’i Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.