MOFON’AINA ZOMA 06 SEPTAMBRA 2019

11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, 12 ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy, 13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy; 14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimboleni’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana; 15 fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy; 16 Izy no itomboan’ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoa’ny isan-tonony, araka ny fiàsan’izay rehetra momba azy amin’izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana.
EFESIANA 4 : 11-16

NY FIANGONANA KRISTIANINA: TENAN’I KRISTY

Oharin’i Paoly amin’ny tenan’ny olona iray ny fiangonana. Jesoa Kristy no lohany ary ireo kristianina tsirairay avy ao amin’ny fiangonana no singa mandrafitra ny vatany. Tenan’i Kristy ety an-tany ny fiangonana arak any fampianaran’i Paoly ka ireto zavatra roa ireto no tsy tokony hadinoina

  1. Fiombonan’ny fanomezam-pahasoavana ny fiangonana (and 7)

DIEM « kanefa isika tsirairay avy dia samy nahazo fanomezana manokana arakaraka izay nomen’i Kristy »

Rehefa mandinika ny tena isika dia mahafantatra tsara fa ny singa rehetra eo amin’ny vatana dia samy manana izay maha-izy azy. Io maha-izy azy ny singa tsirairay eo amin’ny vatana io no mampiavaka azy amin’ny singa rehetra ao amin’ny vatana. Izay maha-izy azy ny singa tsirairay izay anefa rehefa miara-miasa eo amin’ny tena dia mahavita ny asan’ny vatana manontolo. Toa izany koa ny fiangonana, samy manana ny maha-izy azy izay mampiavaka azy ny kristianina tsirairay avy ary izay maha-izy azy ny tsirairay izay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Tompo. Tsy maintsy hatambatra tsara eo amin’ny fiangonana anefa izany fanomezam-pahasoavana izany mba ahafahana mahatanteraka ny asan’ny fiangonana. Raha misy tsy miasa ny singa eo amin’ny fiangonana dia mandringa ny fiangonana. Noho izany mifameno sy mifanampy ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo ny kristianina ao amin’ny fiangonana mba hahatanteraka tsara ny asan’ny fiangonana rehetra.

  1. Ny fiangonana dia fiombonana noho ny amin’i Kristy (and 16)

DIEM « Izy no mahatonga ny tena manontolo hitambatra mafy sy ho voatanan’ny famavany rehetra hiray »

Matetika ny maha-izy azy ny olona iray, izay mahatonga azy hiavaka amin’ny hafa dia mahatonga azy hisaraka amin’ny hafa ka hiolonolona sy hihevitena ho zavatra. Raha tsy eo Kristy arak’izao fampianaran’i Paoly izao dia samy haka ho azy ny kristianina ka ho rava ny fiangonan’Andriamanitra. Jesoa no mampiombona ny singa rehetra ao amin’ny fiangonana. Noho ny asan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa no mahatonga ny rehetra hiombona sy hiray. Jesoa no toy ny lakoly mampiombona ny rehetra ao amin’ny fiangonana. Izay fiangonana rehetra tsy manana an’i Jesoa arak’izany dia tsy hahay hiombona sy hiray velively, ary samy hanao izay saim-pantany ny rehetra ka ho simba ilay fiangonan’Andriamanitra. Aoka arak’izany izay rehetra mahatsiaro nahazo fanomezam-pahasoavana manokana hahatsiaro tena sy hanaiky hampiombonin’i Kristy amin’ireo izay manana fanomezam-pahasoavana hafa toa azy. Izany no tena miantoka ny fampandrosoana ny fiangonana kristianina. Tsinotsinona ny fanomezam-pahasoavako raha toa ka tsy hampiomboniko amin’ny an’ny hafa izany hikendrena izay hampandrosoana ny fiangonan’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra