MOFON’AINA TALATA 04 JANOARY 2022

24 Ary efa mby teo ampovoan’ny ranomasina ny sambokely tamin’izay, dia natopatopan’ny alon-drano izy, fa notohain’ny rivotra.25 Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny amin’ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina.26 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin’ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.27 Ary Jesoa niteny taminy niaraka tamin’izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.28 Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Ianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.29 Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin’ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ny rano hanatona an’i Jesoa.30 Fa raha nahita ny rivotra* izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho![* Na: (rivotra mahery)]31 Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay Jesoa, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?32 Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.33 Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.34 Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.35 Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin’ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.36 Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
MATIO 14 :24-36

REHEFA EO NY TOMPO …

« Matokia, fa Izaho ihany . Aza matahotra ! »(and 25b). Izany no teny fampaherezana antsika anio :

1-Matokia !

Nirahin’i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianatra, fa Izy kosa mbola nandefa ny vahoaka hody. Rehefa izany dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hivavaka. Teny am-povoan-dranomasina kosa ny mpianatra no nisehoan’ny loza, natopatopan’ny alondrano sy ny rivotra ny sambokely, ka nila ho fefika .Rehefa hadiva ho maraina ny andro, dia nahita an’i Jesoa nanatona Azy ny mpianatra. Raiki-tahotra  sady nisalasala  izy ireo, satria tsaroany  fa tsy niaraka  niondrana taminy  tao an-tsambokely i Jesosy . Nahagaga fa afaka  nandeha teny ambonin’ny rano Izy .Tsy  mandao antsika  amin’ny fotoan-tsarotra nyTompo . Manatrika antsika Izy sady  mampahery antsika amin’ny alalan’nyTeniny, ka na ny ranomasina hanonja  na tafiotra hamely  dia matokia  fa eo  ambany fahefan’i Jesoa  Kristy  avokoa ny zavatra rehetra.

2-Aza matahotra !

Petera  dia nahalala fa manana ny fahefana rehetra  Jesoa , saingy mbola te-haka toky bebe kokoa izy , ka hoy ny teniny : « Tompoko , raha hianao  ihany , dia asaivo  manatona  Anao eny ambonin’ny rano aho » (and 28). Nasain’i Jesoa,  hanatona Azy i Petera ka afaka   nandeha teny ambonin’ny rano kanjo nony nahita ny tafio-drivotra izy dia nanomboka nilentika  ka nila vonjy tamin’i Jesoa. Mazava  ny fampianarana tian’iJesoa horaisintsika, fa na dia tandindomin-doza aza ny  fiainana , dia  lehibe mihoatra lavitra noho izany ny herin’Andriamanitra hamonjena  antsika . Kely  tokoa ny finoantsika, kanefa lehibe  sy mahery ny Tompo  ka mamonjy  antsika amin’ny fotoana izay iantsoana Azy. « Aza matahotra !*

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.