MOFON’AINA ALAROBIA 05 JANOARY 2022

1 Andriamanitra no aro sy hery ho antsika;Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany,Na mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra,3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany,Ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’Andriamanitra,Fonena-masin’ny Avo Indrindra.5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy;Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro;Nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.7 Jehovah, Tompon’ny maro, no momba antsika;Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.8 Avia, jereo ny asan’i Jehovah,Izay mahatonga faharavana etỳ an-tany.9 Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy;Manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona IzyAry mandoro ny sariety amin’ny afo.10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra;Hisandratra amin’ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.11 Jehovah, Tompon’ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’i Jakoba no aro ho antsika.
SALAMO 46 :1-11

NY TOMPO NO MOMBA ANTSIKA

Ity Salamo ity dia mitaona ny olona hatoky an’Anddriamanitra na dia toa feno loza aza ny tontolo manodidina rehetra .

1-Fiarovana azo antoka Izy(and 1-7)

Manoloana ny loza tsy hay tohaina toy ny horohorntany , ny tondradrano, ny fiovaovan’ny toetrandro dia mitebiteby sy matahotra ny zanak’olombelona . Voafetra ny hery sy ny fahaizana ho enti- miatrika izany .Ny mpanao Salamo kosa dia mahatsapa fa azo atao tsara ny mialoka eo anatrehan’nyTompo .Azo antsoina Izy sady mamaly vavaka. « Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy « (and1). Izay mialoka eo Aminy dia tsy hanan-tahotra na fanahiana akory na inona na inona mitranga (and 2). Mamboatra fitaovana Izy no mifehy izany : « Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy, manapaka ny tsipika sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ny afo (and 9).

2-Tompon’ny filaminana Izy (and 10)

Mandidy ny olona rehetra ny Tompo mba hampanjakana ny filaminana ka hampitsaharana ny habibiana sy ny faharatsiana rehetra. Raha tena mino isika fa momba antsika ny Tompo dia tsy hatahotra amin’ny fanatanterahana ny andraikitra lehibe miandry ny Fiangonana mba hisian’ny filaminana sy ny fandriampahalemana ety ambonin’ny tany . Ireto avy izany : fitoriana ny Filazantsara hanambarana an’i Jesoa Kristy, Ilay Tompon’ny fiadanana sady mpanome aina ho an’izay rehetra mandray Azy ; ary koa ny hananana fahasahiana amin’ny fanambarana ny fahamarinanana ho fanandratana an’i JESOA KRISTY ho TOMPO .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.