MOFON’AINA TALATA 11 OKTOBRA 2022

7 Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao), 8 dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin’ny faran’ny tany rehetra), 9 dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran’ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao; 10 fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan’ny vahoaka rehetra. 11 Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin’i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana. 12 Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.DEOTERONOMIA 13:7-12

ANDRIAMANITRA MPANAFAKA

1-Ekena mihoatra noho ny olona rehetra

« dia aza manaiky azy na mihainob azy ianao , ary aza mba iantran’ny masonao izy na amindranao fo … »(and 9)

Ny fifamatorana akaiky eo amin’ny ankohonana sy ny fianakaviana eto dia voatanisa antsipirihany mihitsy mba hahazoana maneho ny fetran’izany fifandraisan’ny tsirairay izany . Ka ny fetran’izany fifandraisana akaiky izany dia ny fitaomana hanompo andriamanin-kafa .Ho anao àry , na iza na iza mitaona anao hiala amin’ny fanompoana an’Andriamanitra , Rain’i Jesoa Kristy Mpanafaka dia aza manaraka azy . Ary ny fitiavana an’i Jesoa Kristy dia fandavana ny sitrapon’ny havana akaiky noho ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia ekeo mihoatra noho ny olona rehetra ny sitrapony .

2-Tompoina amin’ny fiainana manontolo

« Ary ny Israely rehetra handre izany , dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao » (and 12). Raha misy olona na havana aza , mitaona ny hafa hanompo andriamaninkafa teo amin’ny Zanak’ Israely dia notoraham-bato .Entina eo anatrehan’ny vahoaka izy ka ny havany akaiky no mitora-bato azy voalohany izay vao ny vahoaka.Tanjona amin’izany mba hahatonga ny Israely tsy hisy hznompo sampy mihitsy .Toy izany koa ny kristiana , heloka sy fahotana mahafaty ny fanarahana andriamabinkafa .Ny olona izay efa nafahan’i Jesoa Kristy tamin’ny fanandevozan’ny ota dia maharitra amin’ny fanompoana Azy.Koa aza manaraka ny fitaoman’ny hafa anao hanompo sampy , aza mnompo andriamanin-kafa fa mahareta hatramin’ny farany amin’ny fanompoana an’i Jesoa Kristy dia tsy hiharan’ny fanamelohana avy aminy ianao .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.