ALAROBIA 12 OKTOBRA 2022

25 Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe: 26 Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. 27 Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. 28 Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia? 29 fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita 30 ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita. 31 Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ny iray alina izy, na tsia? 32 Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana. 33 Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro. 34 Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? 35 Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.LIOKA 14 :25-35

NY MPIANATR’I JESOA KRISTY

1-Vonona hiaritra fahoriana

« Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy dia tsy azo ekena ho mpianatro izy » (and 27)

Fanao matetika teo amin’ny olona nampidirina an-tranomaizina voaheloka ho faty eo amin’ny hazo fijaliana tany Palestina, ny taonjato voalohany, ny mitondra ny hazo fijaliana hatreo amin’ny toerana hanomboana azy. Ampiasain’i Jesoa Kristy izany fomba izany entiny ilazana ny fanarahan-dia Azy. Nanolotena ho faty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy hamonjy ny mpanota. Noho izany, ny olona izay mandray izany famonjena izany ihany koa dia tokony hametraka ho laharana voalohany eo amin’ny fiainany ny fanarahana an’i Kristy .Tsy mijanona amin’ny maha-mpianatra fotsiny ihany fa manaiky hiaritra fahoriana noho ny amin’i Kristy mihitsy.

2-Mahafoy ny zavatra rehetra

« …izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo dia tsy azo ekena ho mpianatro » (and 33).

Araka ny efa nambara teo aloha, ny finoana an’i Jesoa Kristy dia fanekena matotra eo amin’ny fiainana. Ka ireo rehetra izay heverin’ny olona ho ambony eo amin’ny fiainany dia tsy maintsy afoy, toy ny fianakaviana, ny firenena, ny tombontsoa, ny fiainana manokana. Rehefa manara-dia an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mahafoy ny zavatra rehetra, eny fa na dia izay heverina ho sarobidy indrindra aza. Noho izany, aza ataonao ho sakana tsy hahafahanao manara-dia an’i Kristy ireo zavatra heverinao ho sarobidy eo amin’ny fiainana fa ampiasao kosa amin’ny fanompoana an’i Kristy izany .Raha manao izany isika dia tena mpianatr’i Kristy tokoa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.