Mofon’aina – TALATA 12 SEPTAMBRA 2017

1 Salamo. Tonon-kira hatao amin’ ny andro Sabata. Tsara ny hidera an’ i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,2 Ary hanambara ny famindramponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,3 Amin’ ny valiha tory folo Sy amin’ ny feon-dokanga.4 Fa ampifalinao amin’ ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan’ ny tananao no hihobiako.
SALAMO 92 :1-4

VAVOLOMBELON’NY  FAHALEHIBIAZAN’NY  TOMPO  ISIKA

1-Ambarao  amin’ny fotoana rehetra ny  heriny 

Salamo  fiderana  sy fankalazana  ity  faha-92 ity. Saika mandrakariva  dia fanao ao amin’ny tempoly  izany, amin’ny fanompoampivavahana iombonana, na amin’ny vavaka manokana ataon’ny mpino  mahatsapa ny famonjen’ny Tompo. Ny herin’ Andriamanitra sy ny fahalehibiazany  no ambara  sy lazaina  amin’izany  .Mihoatra  noho izany  anefa eto , fa na amin’ny maraina  na amin’ny alina dia tokony  ho tsapantsika izany  ka ambara  ny heriny (and 2). Tsy  hotsarovana  an-tsaina  ihany izany  fa ambara sy lazaina ary toriana  amin’ny hafa.

2-Lazao sy ambarao  ny asam-pamonjena nataony

Tsy  ny toetran’ Andriamanitra na ny fahatsarany sy ny heriny mbamin’ny fahalehibiazany  ihany no tokony  holazaina , fa  ny asa nataony koa . Mahafaly  ny asan’ny  Tompo  , satria asam-pamonjena sy fanavotana izany :  « ampifalianao  amin’ny nataonao aho , Jehovah ô. Ny  asan’ny tànanao  no hihobiako  » (and 4), rehefa tojo ny zava-tsarotra isika dia adinontsika ny asan’ Andriamanitra  teo  amin’ny fiainantsika . Aza refesina  na afatra amin’izay zava-mitranga indray andro, na amin’ny fotoana fohy  ny asam-pamonjena sy ny fitiavan’ Andriamanitra antsika hatrizay . Ny fahoriana sy fahasahiranana vetivety  dia tsy  tokony  hanadinoana ny asan’ Andriamanitra teo  amin’ny fiainanao  . Koa lazao  mandrakariva ny asa nataony .

Fanontaniana:

Moa ampy hijoroana ho vavolombelona ve ny fandehanana miangona isak’Alahady ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !